jeu.

07

avril

2011

Korontana tao Analakely: Romotra ny mpivarotra

Raikitra indray ny savorovoro tao Analakely. Ireo mpivarotra indray no nilahatra nilanja sora-baventy omaly, ary nitaky ny hanomezana toerana malalaka azy ireo ahafahany mivarotra. Poa-toy izay, dia nikatona avokoa ny ankamaroan’ny teny amin’ny Pavillon, satria nahiana hihitatra amin’ny fifandonana izao fitakian’ny mpivarotra izao. Nitangorona ny mpandalo, ary velona nanampy ny mpivarotra ny vahoaka sendra nandalo, satria misy ny nanampy tosika ambadika fa vokatry ny krizy ara-politika teto no nahatonga ny olona hivarotra

Rehefa nindram-bola anefa ireny olona ireny ahafahany mivarotra, dia raofin’ny eo anivon’ny kaominina ny entana, ary any dia tsy hita. Aleo ny olona hivarotra, toy izay hangalatra hoy ny feo nanakoako teny Analakely, ary hita fa feno mpitandro filaminana teny an-toerana. Ny eo anivon’ny kaominina, dia efa nanome herinandro ahafahan’ny mpivarotra mivarotra, araka ny nambaran’ny PDS Edgard Razafindravahy. Hatreto, dia tantara tsy mety vita ity fifanenjehana sy fifandonana eo amin’ny saka sy voalavo etsy Analakely ity, satria ireo mpivarotra efa nahazo toerana, dia tsy te-hahalala ireo namany tsy mbola nahazo, ary dia eo no hiatombohan’ny fifandirana lava. Raha ny feo miely, dia misy mpanao politika mitady hijapy izao hetsiky ny mpivarotra izao ? Hatreto aloha, dia ahiana hivadika zavatra hafa ity korontan-dava ao Analakely sy ny manodidina ity, raha tsy voafehy haingana. Ny tsapa, dia miha-romotra ny mpivarotra amin’ity fifanenjehana lava eo aminy sy ny mpiasan’ny tsena ity, koa tsy atao hahagaga raha misy hatrany ny savorovoro tao ho ao. Omaly antoandro ihany, dia efa nilamina ny tsena, fa ny anio no hanao ahoana ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra