jeu.

07

avril

2011

Fitiavana: Fantaro ireo lehilahy tokony handosirana

Tsy misy ny olona tonga lafatra raha mbola eto an-tany. Na izany aza anefa dia misy ihany ireo olona izay tsy azo antenaina amin’ny resaka fitiavana. Ireo lehilahy no tena tiana holazaina eto. Ireto misy karazana famantarana vitsivitsy mety hanampy ny andriambavilanitra hahazoany mamantatra ireo lehilahy tsy tokony hiarahana ary mendrika ny handosirana mihitsy, satria mety hamarina any an-kady. Ny fikarohan’ny manam-pahaizana no milaza izany fa tsy hoe foronin’ny gazety tsy akory...

Mifanoroka ianareo. Miaraka mandry. Mifanerasera. Saingy dia any amin-dravehivavy hatrany fa tsy nisy mihitsy izany hoe any amin-dralehilahy. Ny vehivavy hatrany no manao ny dingana voalohany sy mandray fanapahan-kevitra mikasika ny momba anareo. Milaza ho tia anao izy ary tena tia tokoa, satria mandany fotoana maro miaraka, saingy azo heverina ihany koa ilay tsy fahavononany hampiditra ilay vehivavy ho ao amin’ny fiainany. Mitsoaha.

Rehefa miaraka aminao koa izy dia vonoiny na afeniny ny telafaoniny. Inona moa izany no tena ahiany amin’izany ? Mety hisy vehivavy hafa hiantso azy ve sa ? Mila fantarina ny momba izay mba hitsoahana mialoha dieny mbola fotoanany. Raha nandiso fotoana izy na nametrapetraka, nefa tsy nahalala niala tsiny na mba nanao azafady. Mihevera tena fa lehilahy tsy mahay mandray andraikitra ny toy izany. Tokony hitsoahana, ankoatra ireo ny lehilahy tsy mahafantatra ny lanjan’ny atao hoe fianakaviana. Tsy mba hitanao miaraka amin’ny fianakaviany, na mampifandray anao farafaharatsiny amin’ireo havany. Ny mahakasika ny firaisana ara-nofo indray dia toy izao no endrika mety hisehoan’ny lehilahy tokony hitsoahana. Tsy misy ny fifampijerena anaty maso fa toy ireny maika hanary ny mavesatra ireny fotsiny izy ary rehefa vita indray aza ny atao dia toy ny tsy nisy teo amin’ny fiainany ianao. Maro karazana ny toetra azo tanisaina manodidina izay lehilahy mampitsoaka mpanadaladala vehivavy fotsiny izay fa ny irariana ho an’ireo andriambavilanitra mamaky ny lahatsoratra dia ny hoe aza sendra azy ihany ary mahaiza mandanjalanja eo amin’ny fiainana !

 

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    jacta (vendredi, 08 avril 2011 20:27)

    Sarotra ilay resaka,handositra ho aiza!tsotra mifankatia matoa miaraka ny olon-droa,misaraka rehefa tsy mifanaraka intsony(maro ny mety an-tony...)

  • #2

    rdeldona (samedi, 09 avril 2011 13:34)

    ary raha mifamadika @zay indray ary ny zava-misy?, ilay lehilahy indray no miezaka manambitamby foana,manoroka foana, mahatsiaro ilay vehivavy foana @zay tany alehany ka mivimbina sy mividy izay zavatra mba tian'io olon-tiany io nefa ilay vehivavy ohatry ny tsy miraharaha dia tokony handosirana koa ve izy???????

  • #3

    sakaleona (dimanche, 10 avril 2011 05:15)

    ahoana moa no ahafahanao mandositra nefa anao efa nanaiky ni_kôtiny @ fotoana nambambo anao!!?? ny mifanohitra @io angamba no tokony resaana!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra