jeu.
07
avril
2011
Tsy maintsy hifidy ny Gasy rehefa hirosoana ny amboletra. Tsy maintsy handrotsaka ny vatony koa izy na tiany na tsy tiany izay hatolotra azy. Tsy maintsy hanefa ny adidiny rehefa mahazo ny tambitamby sy ny tolotolotra fanao mandritra ny fampielezan- kevitra. Manomboka mandeha indray izao ny fanentanana ny olompirenena handray andraikitra manoloana ny fifidianana tsy maintsy ho tanterahina. Nampatsiahivin’izay mahay mandahatra rehetra fa tokony ho vitaina amin’ity taona ity daholo indray ny fifidianana tsy vita tao anatin’izay roa taona izay. Araho maso dieny izao ny fandrafetan’ireo mitonona ho « mahaleotena » ny lisitry ny mpifidy, fa any no fototry ny olana, hoy ny fanentanana sasany. Amin’ny saina tsy miangatra dia azo inoana ve ny hampiray ireo hevitra nifanipaka momba io fifidianana io, nandritra izay fotoana lavabe nifandirana teto izay ? Iza indray no sahy hanome antoka fa rehefa voafidy ireo mpanao politika te-haka fitondrana amin’ny fifidianana peta-toko, dia hilamina sy tsy hisy ny korontana politika eto ? Iza no hanome toky fa hilamindamina ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny ? Hivaha, na amin’ny ampahany ihany aza, ny olana ara-tsosialy efa nikiky sy nahazo vahana hatrizay?............
Tsy misy hatramin’izao ny fanomanana ny fomba hiatrehana ny fifidianana. Inona marina ny lalàna hifehezana an’izany ? Mba efa naheno fanehoan-kevitra mahakasika ny amin’izany ve ny olompirenena ? Amin’izao fotoana dia ny fifandrombahana ny amin’ny fitantanana ny minisitera isan-tokony izay hanatontosa io fifidianana io no mahamaika ny mpanao politkantsika. Fa rehefa ao anaty fitondrana tokoa ve dia tsy maintsy handresy amin’ny fifidianana izay karakarainy ? Mbola mangarahara sy azo itokisaana ve izany fitantanana izany ? Nitondra inona ho an’ity firenena ity tokoa izao ny nampandaniana ny lalampanorenan’ilay repoblikan’ny fitiavana ? Iny ve no lalampanorenana tena mamaha ny olana eo amin’ny fiffandimbiasam-pahefana sy ny fifandirana ateraky ny fifidianana ? Tsy mbola hita veroka ny fifampitokisana eo amin’ireo samy mpitarika politika eto amintsika. Tsy mbola fantara ihany koa ny hanjo ny firenena eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena, koa tsy fotoana ve izao mba hiresahana izay hevitra mampiray kokoa ny Gasy ? Inona anefa izany hevitra izany ? Fifidianana ve ? Sa fifamelan- keloka ? Sa fifonan’ireo rehetra nibirioka sy nanao ny tsy rariny ? Sa famerenan-kasiny ny maha-firenena tan-dalàna ? Sa avelao ho amin’izao dia izay tsy mahatanty na koa ny mpandresy amin’ny lazon’ady no ho tompon’ny teny farany ? Raha miha-mahazo vahana indray ny tsy fihainoana ny hevitry ny hafa amin’izao fotoana tsy maintsy hiakaran’ny raharah’an’i Madagasikara eo anivon’ny fihaonana iraisam-pirenena izao, dia tsy maintsy izay tiany sy mahafaly ary ny mpiaro ny tombotsoany no harotsany sy hotereny ho lanian’ny mpifidy malagasy. Dia hahafaly ny mpanao politika izany ? Hampilamin-tsaina ny tia tanindrazana ny fihetsika toy izany ? Tsy ho latsa-panenena tamin’ny tsy fahavitany ny adidiny ve izay mbola madio saina sy manam-panahy ? Nankaiza daholo ireo mbola azo iankinan’ny fanantenana no ireo tsy misy hapoaka no avela hamaritra ny ho avin’ny Gasy ? Rehefa nifandrangaranga tsy fitovian-kevitra teto ny mpanao politika hatrizay dia hitodika any amin’ny adidin’ny olompirenena indray ny saina aman’eritreriny. Hanao fifidianana ho famahana olana. Tsy ny olompirenena na ny vahoaka anie no nampihitsoka ny firenena amin’izao toerana misy azy izao e ! Ny samy mpanao politika ihany no tafiditra ao anatin’ilay « fihavanan- jiolahy » mampiray feo azy. Ony RAMBELO