jeu.
07
avril
2011
Lany « fika » ny mpitondra tetezamita avo ankehitriny amin’ity resaka solika ity. Tsy manam-pahasahiana ihany koa anefa mba hilaza izay tena « vidiny marina » tokony hividianan’ny mpanjifa io solika io. Miverina indray ny politikan’ny « mangorera » sy ny vonjy tavan’andro. Tsy mbola ho fantatra na ho tonga hatrany amin’ny fivarotana « solika mora » ity raharaha ity. Aoka tsy hohadinoina fa matoa misy sokajim-bidy roa tsy mitovy eo amin’ny entana iray eo amin’ny tsena, dia azo antoka fa hidanadana ny « afera » sy ny fitiavan-kely. Te-hanasokajy ny tenany ho « mahantra » ireo mahitahita rehefa tiany ny hahazo entana teny amin’ny tsena mora. Nifanjevoana tanteraka ny fanavahana sy fanasokajiana ny olona tokony hahazo sy tsy hahazo. Tsy dia mbola milamina sy nahitam-bokany hatramin’izao ny resaka « vary mora ». Zavon-tany aman’erika ny fitarainana etsy sy eroa, ny Gasy rahateo tsy lany tetika raha vao misy tombony hirotsaka any ambilaniny. Ny eo tsy afaka sy tsy milamina akory dia tonga indray ny faminavinana ny hanaovana vidiny mizara roa samihafa eo amin’ny solika. Izany no politikan’ny mangorera : sady te-handraharaha ny fanjakana, no te-hametra ny vidin’entana !
Hetra be loatra ? Tsy misy fanjakana hanaiky hampidina hetra efa voasoratra fa tokony ho azy izany e ! Nanambara Rakotozafy Jean Martin, izay lehibe mpitarika ny GPGLS na ny vondron’ny mpivarotra solika, fa 1200 Ar ny hetra alaina amin’ny lasantsy, ary 800 Ar izany ho an’ny gazoala. Koa tsy aleo ve ny hetra no hahena raha tiana ny tsy hampihetsika ny vidin-tsolika ? Dia ampahafirin’ny vidin’ny solika tokoa moa izany io hetra alain’ny fanjakana io ? Asa raha tsaroan’ny mpanjifa fa raha nanapa-kevitra ny hanala fahasahiranana tamin’ity vidin-tsolika ity ny fitondrana taloha dia nanome 40 Ar isaky ny litatra ho an’ireo mpitatitra. Natambatra io fanampiana io ary noraisin’izy ireo isambolana. Fa tsy nisy intsony ny fitohizan’io fanampenana ny kitapom-bolan’ny mpitatitra io nanomboka tamin’ny septambra 2008 no mankaty. Ny hetra alaina amin’ny solika dia tokony hanaovana ny fikarakarana ny toetran’ny lalana eto amintsika. Vitan’ny fanjakana amin’ny tokony ho izy ve izany fikarakaran-dalana izany ? Anjaran’ny tsirairay no mandinika sy maka ny hevitra tandrify azy avy. Fantatry ny fanjakana tsara ny olan’ireo rehetra mandraharaha amin’ity solika ity, hainy tsara ny masonkarenany sy ny fomba hitantanany ny fitsinjarana nataony. Efa nisafidy ny politikan’ny fanalalahana ihany koa isika matoa nisy ny fanomezana ny fitantanana ny SOLIMA, ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina. Tsy ho vitan’ny fanjakana intsony noho io safidy ara- politika sy ara-toe-karena io ny hanafatra sy hivarotra solika, koa dia noferany ny vidin’ny solika tsy maintsy hajain’ireo mpaninjara, ary tsy maintsy alainy ihany koa ny hetra tokony ho azy. Dia inona no vaha-olana ? Hosokajiana arakaraky ny fampiasana ny solika ny ho vidiny.
Misy ve ny « vidiny marina » Tsy maintsy hampikorontana ny fanjifana, ny mety ho fampiharana ny vidiny ho roa karazana. Inona marina moa no tombony ho azon’ny mpanjifa amin’izany ? Iza no mpampiasa fiara no hanaiky hividy solika lafo kokoa noho ny hafa ? Ahoana ny momba ny fampiasan’ny fanjakana ny « chèques carburant » ? Ohatrinona marina ny tokony ho vidin’ny solika eto amintsika ? Nahoana no terena ankolaka hampihatra ny sarandalana « hamboamboarina » ny mpitatitra ireo mpaninjara ny solika ? Mbola manjaka loatra eto amin’ny firenena ny kiafinafina amin’ny tokony ho vidiny marina amin’ireo zavatra ilain’ny mponina amin’ny andavanandro. Raha hampiharina tsy asiana teritery ny vidin-javatra dia aleo hamaritra ny saran’ny fanjifana rehetra ny tolotra sy ny tinady. Aleo ho tena ny saran-dalana marina no hampiharin’ny mpitatitra, ny vidiny marina no hivarotana ny solika, ny hetra marina alain’ny fanjakana dia hanaovany ny asany. Dia tsy maintsy hisy hilaza ve fa tsy mety izany satria tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mponina efa lazoin’ny krizy ? Marina tsy misy azo kianina tokoa izany saingy moa manentana ny olompirenena ho amin’ny fifaninanana sy fampiroboroboana ara-toekarena kosa ve ny fidiran’ny fanjakana lava amin’ny famatsiana sy vidin-javatra ? Tsy hisy toe-karena milamina eto raha mbola io politikan’ny mangorera sy ny tsy sahy milaza ny vidiny marina io no hatao eto. Manome laka ny risoriso sy ny varo-maizina fotsiny ! Raha tsy hoe ny fanjakana mihitsy no hanome vahana ireny ?
Aleo hazava ny resaka fa raharaha tena isan'ny manahirana ny resaka solika ka hoe MANGORERA.Tadidio fa tsy fanjakana no mintatana an'io,dikany ny fanjakana no tsy maintsy mitady ny olana mba tsy hahafaty ny vahoakany.Tsy ny gasy ihany no voan'io fiakaran'ny solika io fa saika izao tontolo izao noho ny ady misy any amin'ny tany Arabo; fehiny isika no mahay mifanaraka sy mifandamina ary miaraka mitady ny vahaolana mba tsy hahafaty ny RENINY SY NY ZANANY (Efa 122dolara eo ho eo izao ny Barila ny solika amin'ny akapobeny...).
