mer.
06
avril
2011
Inona no nahatonga an-dRajoelina Andry hitarika ny tolony ? Satria ve « voagidragidra » izy tamin’ny fitantanany ny kaomina Antananarivo Renivohitra ? Satria ve nakaton’ny « be sandry » ny fahitalavitra efa mba nikelezany aina hatry ny ela ? Satria ve ratsy loha sy nanao kely tsy mba mamindro ny fanjakana foibe tamin’izany ? Ary farany, sady tsy ny kely indrindra, dia satria ve Rajoelina Andry nanana « vahoaka » efa nihoatra ny antsasaky ny mpifidy teto Antananarivo renivohitra ho mpanohana sy mpankafy azy ? Nitangoronan’ny mpanao politika resy lava tamin’ny fifidianana sy ireo te-hanifika andRavalomanana nanomboka teo Rajoelina Andry, ka niseho daholo ny « hevitra goavana » rehetra. Tsy misy ny demokrasia sy ny fahafahana, mandanindany foana volam-panjakana ny mpitondra ka nataony ho haitraitra ny fividianana fiaramanidina, namidiny sy nomeny hanjakan’ny vahiny ny tany. Mpangoron-karena amin’ny fanaovana ampihimamba sy fitantanam-pianakaviana. Ireo no tolon-dRajoelina sy ny fan’s club-ny. Tsy nisy resaka ho fitantanana na fanomezana hasina ny fanaovana politika sy ny maha-Repoblika tamin’izany. Tsy nisy fikatsahana ny tombony mety ho azon’ny mpiray tanindrazana rehetra......................
Haongàny fa ho hita eo ny tohiny Efa nandre lamina arapol i t ik a hi tondrana an’ i Madagasikara ve ny Gasy tao anatin’izay roa taona izay ? Efa nandre ihany koa izay tena endriky ny Repoblika vaovao natsangana ? Efa mahafantatra ny zotra ara-pifidianana tena nandresy lahatra ? Efa naheno lahateny, na koa fiantsoana fihavanana amin’ireo mpiray tanindrazana rehetra ? Efa mba nidera na koa nankasitraka izay mpitondra nifandimby teto tamin’ireo kely mba vitany ve ny mpitarika antsika ? Efa nahatsapa ve ny mpankafý azy fa tena mitondra ny hevitr’ireto fan’s club nihogahoga azy teny an-kianja ny tenany ? Efa fantatr’ireo mpanohana azy, na nampahalalaina azy ireo ve farafaharatsiny, fa ao anatin’ny fotoana maharitra dia mbola ho mpitari-tolona hatrany ity nampisalorana ny andraikitry ny filohan’ny Repoblika ity ? Koa tsy mahagaga raha mbola tsy mivaha ny olana napetraky ny tolon-dRajoelina Andry hatramin’izao satria ireo rehetra nanohana ny « planina » novolavolainy dia mila azy hanohy io tolona io.
Tsy mpitondra fa mpitolona ihany Tsy mpitondra fanjakana mamaha ny olan’ny Gasy no mihazona ny fahefana eto hatramin’izay fotoana lava izay fa mpitarika ny tolon’ireo tsy sahy miatrika fifidianana sy tsy te-hiaina anaty rafitra demokratika ifampifehezana. Ny mpitari-tolona no manao izay handringanana amin’ny fomba rehetra ny mpifaninana ara-politika aminy, tsy mihevitra ny hahasoa sy hamaha ny olan’ny Gasy rehetra izany mpitari-tolona izany fa manao izay hamalifaliana ireo rehetra mahita tombony amin’ny tolona ataony. Moa tsy fanasokajiana ny Gasy sy fanatsitokotokoana azy, ny famalifaliana amin’ny vahaolana vonjy tavan’andro toy ny « tetik’asa mora » isan-karazany ? Na tonga ao an-dapampanjakana aza Rajoelina Andry dia tsy mikatsaka ny hahasoa sy ny hamaha ny olan’ny Gasy. Sakanany tsy handray anjara amin’ny ady hevitra izay sahy mitsikera ny fitaritany ny tolona. Tsy mampaninona azy ny miova hevitra sy mamadibadika ny lalàmpanorenana, na sori-dalana ho entiny mitazona ireo mpankafý azy. Moa tsy adidin’ny mpitondra fanjakana ny mamerina amin’ny laoniny ny hasin’ilay fanjakan’i Madagasikara ka haneken’izao tontolo izao azy ? Koa nahoana no ahilika any amin’izay antokon’olona ivelan’io fanjakana io ny andraikitra, na koa fanondroana azy ireo ho miziriziry tsy ahitam-bahaolana ?
Tolom-bahoaka tokoa ? Tsy ady mi i tat ra any amin’ny fiaraha-monina no atao hoe : tolom-bahoaka. Tsy fiarovana ny tombotsoan’ny antokon’olona sy vondron’olona isan-tsokajiny ihany koa. Nahoana no tsy ahitam-baha-olana mihitsy ny fitakiana isan-karazany eo amin’ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toe-karena ? Satria tsy misy politikam-panjakana ahafahana mifehy izany fa baikompitolomana no ifanaovan’ireo mpihazona ny fahefana rehetra. Efa nilaozan’ny fanatontoloana sy ny lamina politika isaky ny firenena ny fanaovana tolona lavareny toy izao ataontsika izao. Tsy efa very nandritra ny 16 taona isika tamin’ny tolona sosialista ? Moa tsy azontsika hakàna lesona ny 40 taona mahery nanaovan’ny Libyana tolona notarihan’ny mpitarika azy ? Nahafahana nisoroka ny ady tsy hiseho ve anefa izany ? Mbola lavitra ny lalan-dRajoelina Andry raha mbola hanohy ny tolony izy : Tsy ilainy ny manomana fifidianana, tsy ilainy ny manaraka ny hevitry ny SADC, tsy ilainy akory ny mifampiraharaha sy midinika amin’ny tsy mitobvy hevitra aminy. Sarotra tokoa iny lalana iny, saingy lalan’ny mpitaritolona sy ny mpanohana azy kosa ve no hoterena ho eken’ny Gasy amin’ny ankapobeny ?izay hamalifaliana ireo rehetra mahita tombony amin’tolona no manao izay Ony Rambelo