mer.
06
avril
2011
Governemantan’ny fisokafana, hono, ilay governemanta vao natsangana herinandro lasa izay. Saingy samy manana ny fandraisany izany fisokafana izany, indrindra raha toa ka ilay nanondro sy nanendry ireo minisitra mandrafitra azy tsy mahalala afa-tsy ny momba azy na ny momba ireo mpomba azy. Praiminisitra lefitra ilay olona teo aloha, fony teo ambanin’ny fitondrandRatsiraka Didier. Minisitra izy ankehitriny, ary mbola ilay departemanta notazoniny fahizay ihany no azony tamin’ity indray mitoraka ity, izany hoe ny Vola, sy ny fitantanana azy, nampiana ny lafin’ny Orinasa. Ny mahasamihafa azy ? Nirotsaka ho praiminisitry ny fiarahamitantana i Rajaonarivelo Pierrot.
Izy no izy… Filohan’ny antok o politika MDM (hetsika hametrahana ny demokrasia eto Madagasikara) Rajaonarivelo, ary tsy hay intsony raha ohatra ka nandà ny maha Arema azy izy na tsia. Nilaza mazava koa anefa izy fa azo eritreretina mihitsy ny mety hilatsahany ho filoham-pirenena, rehefa hatsangana soa aman-tsara ny Repoblika Fahefatra. Naveriny tsara ihany koa izay faniriany izay, fony namory ireo filohan’antoko teny Ivato ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry, ny 2 martsa lasa teo. Rehefa « voadaka » tsy ho praiminisitra izany izy, dia nanaiky ihany, na dia ho minisitra fotsiny ihany aza.
Tsiahivina fa isan’ny tsy nankatò ny fanonganampanjakana, ny 17 martsa Rajaonar ivelo Pier rot . Fantatra amin’ny maha olona mahi tsy azy i t y olom-pirenena ity, ary izay no tena nitadiavana azy angamba. Koa mahagaga ihany ny nanekeny ny hiditra anaty governemanta tsy mahazo fankatoavana hatramin’izao. Raha tsy hilaza afa-tsy ilay tondro zotra avy amin’ingahy Leonardo Simao fotsiny, ‘zay tsy vita sonia fa rango- pohy ihany ; izany hoe mbola miandry ny fotoana tokony hampiharana azy.
Samy manana nytanjony… Na dia efa nivoaka aza ny fanapahan-kevitry ny Troïka Sadc, mikasika an’i Madagasikara, dia manjavozavo amin’ny maro ihany izany. Saingy mazava kosa ny hoe : mbola hisy ny fihaonana fara tampony. Midika izany fa tsy mbola azo ekena izay tondro zotra efa vita rehetra teo aloha, ka ny « samy Malagasy » no nandrafitra azy. Ka raha niditra ao anatiny Rajaonarivelo Pierrot, sanatria ho tafiditra anatin’ireo iharan’ny sazin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ve izy ? Na izany na tsy izany, tsy maintsy hitsoaka an-daharana ihany izy, roa volana mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena, raha te hilatsaka ihany. Fito taona nandao ny tanindrazany ity olo-malaza ity. Mety hampetimety ny fiainany kosa aloha ny ao e ! Sady… rehefa tafiditra ao, toa « madio toy ny sasan’ny Klin » ô ? Ka na ny heloka vita sy nanenjehan’ny Fitsarana teo aloha toa zary voafafa tsy nahy ankehitriny. Raivobe
MORA MANADINO NY VAHOAKA MALAGASY iza no miteny an'io? Dadan'i Pierrot.Tadidio fa i Pierrot anie efa nanao ny fomba rehetra niverenana tamin'ny andron'iR8 fa tsy tafiditra teto amin'ny tanana e!.Dikany marary izany manao sesitany ny tena izany;(ity misy SEZA koa tsy hipetraka ny tena efa valaka tany alavitra tany!).Izay nametraka no tompon'atoka?.Madio sa maloto,fotsy lazaina fa mainty,sola lazaina fa baolina boribory.
Betsaka ny sola taminy politika ha ha ha
