mer.
06
avril
2011
Resaky ny kôfa tao amin’ilay « Krutambul » ny hoe : « mifanajà, fa izany no tena zava-dehibe ! ». Tsy misy antony tokony hanajàny ny hafa raha tsy mahay mahazo ny tenany ny olona iray. Tsy hevitra filozofika be mankaiza izany, fa tena « ezaka » bitika indrindra handavorariana ny fiaraha-monina. Efa nandritra ny taona roa nifanesy isika izao no tsy afaka nifanaja tamin’ny hevitra nifandrohitana teto. Nampiasaina daholo ny tetika rehetra mba hahatongavana any amin’ny fitoniana politika fa tsy nahitam-pahombiazana, satria « ialahy isany » mpanao politika dia tsy mahay manaja tena, tsy mahay mifanaja, tsy mihevitra ny fifanarahan’ialahy isany ho zava-dehibe. Koa inona moa no mba ho fanajana ny « hevitry ny fiaraha-monina », ny « hevi-bahoaka », ny « hevitry ny firaisamonim-pirenena », ny hevitry ny fivorivorina marobe, ny hevitry ny vondrona iraisam-pirenena? Mba manaja tena leitsy rehefa tsy hanaja ny hafa ihany a ! Ao anaty lapam-panjakana daholo indray izao ny mpanao politika Gasy rehetra (araka ny filazany) noho ny « fandrangotana » taratasy tsy fanta-pototra. Taratasy tsy manana lanjany eo amin’ny lalàna fototra nifanekena. Taratasy tsy manana olona nanaiky azy afa-tsy 402, miampy ny mpanaty ràn-kena, sy ny mpihogahoga. Tsy nasian’ny mpiara-monina lanjany akory, satria tsy heviny, na fanirina avy ao anatiny no nosroratan’ilay dokotera Mozambikana tao amin’ilay « ordonance » nitadiavana fanafody erak’ity vodi-mototra rehetra ity. Tonga tao amin’ny farmasia-n’ny Troîka indray fa tsy nasian-dry zareo resaka akory hoe : mitadiava fanafody « générique » any an-kafa, na koa manatòna dokotera hafa, na mpitsabo nentin-drazana, na « hevitra » hafa mihitsy e !.................
Ka zavatra toy izany ve no hifandrotehena ao an-dapa ao ? Hila « hipoaka » ny fitantanana ny raharaham-pitondrana eto amin’ny firenena. Nahoana no mifandolo amin’ny fihazana seza ? Tonga ny minisitra « vaovao » dia mametraka ny maha-izy azy, mandrava izay tiany ho ravàna, manome vahana izay mahafaly ny sainy sy ny fony. Izany marina ve no andraikitra nolazain’ilay taratasy vita rango-pohy ? Saika mivezivezy ao Ambohitsorohitra ao daholo ity karazan’olona avy amin’ny « lafivalo » ity mihaza toerana sy « misandoka » ho mpitondra ny feon-dRanona sy Ranona. Raha amin’ny fotoana « ara-dalàna » dia mety sy adidin’ny mpanao politika no misisika amin’izay tetika handrombahany fahefana politika, fa amin’izao fotoana « hafahafa » izao dia inona marina no antony hifanotofana any an-dapa any ? Mbola miandry sa nampiandrasin’ny vondrona SADC isika amin’izay ho tohin’ny tantarantsika ? Eo am-piandrasana izay ho tohin’ny fihaonana an-tampony io dia tsy midika velively hoe : Tsy hisy, sy tsy ilaina intsony akory ny fampandehanan-draharaha, saingy anisan’io fampandehanan- draharaha io ve ny mbola hirosoana hatrany amin’ny fanolosoloana olona mbola tsy nifanarahana ? Mbola hiana-kendry hanitatra ny mpikambana any amin’ny andri-pitondrana ihany koa ? Mba manajà tena leitsy a ! Tsy mahamenatra ny mpitarika politika Gasy, eo anoloan’ny vahoakany, ve ny mifikitra amin’ny taratasy mbola handadizana any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ? Mahay manaja ireo vahoaka mbola « patron »-ny ve ny mpanao politikantsika ? Mbola mahita sy mahatsapa ny fahorian’ny fiaraha-monina iainan’ny « patron » ve ? Tsy nahavita asa mahafa-po an’ireto olona « tompom-pahefana » akory ve, nandritra izay 2 taona izay, nefa dia hamono eritreritra sy hanao an-tsavily amin’ny tranon-kala ihany ? Satria tsy manangasanga akory ilay faneken’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpitondra antsika, kanefa tsy izany ve no namoronana ilay ravin-taratasy farany teo ? « Mifanajà fa izany no zava-dehibe ! », ary raha tsy mahay manaja ny hafa dia mba manajà tena leitsy a ! Miverena any amin’ny toera-pisitrihana any fa tsy natao ho an’ny lany henatra ny lapam-panjakana.Sa tsy izany leitsy ? Hi-krutambul eto fa ataovy ihany. Ony RAMBELO