mer.

06

avril

2011

Firaisana ara-nofo any anaty rano

Tsy voatery ho ety an-tanety ihany ny toerana azo hanaovana firaisana ara-nofo. Indraindray koa mba any anaty rano. Raha ao an-trano ohatra no hanandrana hiaina izany dia eo ny trano fidiovana, azo antoka tsara. Ny « baignoire » no tiana horesahana eto. Milamindamina tsara, tsy misy manakotaba ny lafy tsarany. Mety ho olana kely kosa ny fahaterena, ka dia tsy maintsy ny « position » mipetraka ihany no azo atao. Mahazo tombony manokana amin’izay fiarahana anaty rano izay ny mponina any amorontsiraka. Samy mampiakatra tsara ny filana ho amin’izany avokoa na ny hatsembotsembohana, na ny hatsaran’ny andro, na ny feon’ny onja midoboka. Tandremo kosa anefa tsy ho lasa lavitra loatra, sao hatelin’ny ranomasina miaraka indray...

 

Ireo olona manan-katao sy manana ny ampy amin’ny hoenti-manana dia afaka manandrana tsara ny firaisana ara-nofo anaty « piscine ». Azo atao rahateo ny karazana fihetsehana rehetra mifanaraka amin’izany, na ny mitsangana, na ny mipetraka, na ny mitsivalana …Ny tena tsotra sy mora atao indrindra amin’ireo dia ny miaraka mandro, tsy voatery ho ao anaty « baignoire ». Anisan’ny toe-javatra maha-« exciter » ny lehilahy ny fahatongavan’ny vadiny tampoka miaraka aminy ao amin’ny efitrano fandroana. Mila omanina ihany koa anefa ny rano mafana iarahana misaika rehefa vita ny atao. Tsy dia tsara loatra ho an’ny vatana, raha ny filazan’ny mpikaroka ny mandro amin’ny rano mangatsiaka aorian’izany fotoana izany. Saingy samy manana ny fahazarany ihany koa ny momba izay. Manodidina izay resaka rano izay hatrany, na eny ambanin’ny ranonorana, na eny amoron-dranomasina, na ao amin’ny trano fidiovana fotsiny ihany. Mety tsy ho voatery hoe rano foana koa fa dia tokony hahafinaritra hatrany rehefa hoe feno fitiavana.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra