mar.

05

avril

2011

Ataon’ny politika takalon’aina ny vahoaka sy ny firenena

« Mbola ataon’ny mpanao politika (politika politisiana) takalon’aina ny olom-pirenena sy ny firenena iray manontolo . Nambara fa ho vetivety ihany ny tetezamita kanefa hatramin’izao mbola ao anatin’izany endri-pitondrana izany I Madagasikara”. Toy izany amin’ny ankapobeny ny fahitan’ny SEFAFI (Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena) ny zava-nitranga sy ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, nandritra ny fanehoany tamin’ny mpanao gazety ny tahirin-kevitra faha-9 mirakitra ireo fanambarana miisa 10 navoakany nandritra iny taona 2010 iny. Nomarihin’Atoa Randriamandranto Ralison, mpandrindra ny SEFAFI nandritra izany koa fa “nihemotra fa tsy niroso ny famahana ny krizy politika taorian’iny fanambarana navoakan’ny troika-n’ny SADC tamin’ny 31 martsa 2011 iny, raha mitaha amin’ireo dingana efa vita tamin’ireo fifampidinihana samihafa efa natao, na niarahana tamin’ireo vahiny mpanelanelana (SADC, GIC) izany, n any diniky ny samy malagasy mpanao politika. Na ny dingana vita nakana ny hevitry ny vahoaka, toy ilay fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha-4 aza, dia mbola tsy nisy nilaza hoe tsy mety iny na dia maro aza ny azo kihanina tamin’ny fanomanana sy ny fizotrany”.

Manahirana ny maneho hevitra

Ny famoahana ireny fanambarana samihafa an-gazety nataon’ny SEFAFI ireny no nambaran-dry zareo ho fomba nentiny naneho hevitra sy ny fomba fijeriny ny toe-draharaham-pirenena. Notsipihin’ireo izay nifandimby nandaha-teny fa “tsy misy raharaha vanona eto Madagasikara raha tsy omena hy hasiny sy ny toerany ny mpanao gazety” ary natao hanaitra, hampihetsika ireo mpanapa-kevitra amin’ny sehatra rehetra (politika, toe-karena, sosialy, kolontsaina…) ireny fanambarana navoaka ireny, amin’ny maha-mpanara-maso sy mpitsikera azy, rehefa avy nifanakalozan-kevitra. “Raha nihaino ny hevitry ny SEFAFI ny mpitondra sy ny mpanao politika mety tsy ho toy izao no toerana misy ny firenena. Natao hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ireny tsikera ireny, ka na misy mihaino sy mandray ny  tsikera arosony na tsia dia tsy mitsahatra ny manaitra ny vahoaka sy ny mpanao politika tsy ankanavaka izy ireo. Na dia tsy mora sy manahirana aza ny miteny sy maneho hevitra eto amintsika indrindra amin’ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena tato ho ato, araka ny nambaran’izy ireo ihany, dia olom-pirenena miaina ny zava-misy ao anatin’ny fiaraha-monina koa ny mpikambana ao amin’ny SEFAFI. “Misarika ny olona hieritreritra izy, fa tsy mieritreritra eo amin’ny toeran’ny olom-pirenena isam-batana”.

Fifidianana no vahaolana

Ny SEFAFI dia anisan’ireo mihevitra fa anisan’ny làlana ivoahana ami’izao krizy izao ny hahatngavana haingana amin’ny fifidianana. “Atao inona ny fahafahana  sy ny zo hifidy  raha tsy ahazoana maneho hevitra ?”, hoy izy ireo. “Azo hatsaraina ny rafitra mahaelotena misahana ny fifidianana (CENI); azo hatsaraina toy izany koa ireo lesoka sy tsy fetezana samihafa niseho tamin’ny fitsapan-kvi-bahoaka farany teo”.  “Ny fitondrana mihitsy no tokony hanapa-kevitra”. Raha hanao fifidianana ihany anefa, araka ny hevitry ny SEFAFI, dia tokony tsy hasarotina ny fifidianana. Izany hoe “tsy tsara ampiarahina ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny solombavam-bahoaka” fa vao mainka mampikorontana. “Samy vao miana-draharaha na ny CENI na ny olom-pirenena mpifidy amin’ny fampiasana biletà tokana, indrindra fa tsy maintsy ho maro ny kandidà”. Ny fifidianana solombavam-bahoaka no tokony halefa mialoha, hoy ny SEFAFI, raha toa ka tena atao ieo fifidianana ireo, amin’izay dia ho hita mazava tsara ny hery sy tanjak’ireo mpanao politika efa an-jatony maro ireo”

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra