mar.
05
avril
2011
Raharaha ihany ny manjo an’iny olona iny teo amin’ity sehatry ny politika ity. Mavesatra amin’iny olona iny tokoa aloha ilay mandimby ny anaran-dray e ! Sady tsy azo heverina mihitsy ny hahafaty ao an-tsain’ny mpanaraka ny tantaran’i Madagasikara fa ny rain’iny olona iny dia tsy « kitoatoa » sy manao fihetsika tsy voahevitra. Tsy maintsy mihoatra ny rainy iny olona iny raha te-hisongadina sy hametraka ihany koa ny maha-izy azy eo amin’ny tontolon’ny Politika Gasy. Vao notsiahivina tamin’ny herinandro lasa teo, ny tolona nampirehetin’ny fitiavan-tanindrazana tao atsimon’ny Nosy tao, izay notarihin’ny rain’iny olona iny. Mafy sy henjana ny tamin’izany fotoan’andro izany satria fanilihina ny fanjanahan-tany tamin’ny endriny vaovao no nampihetsika ny mponina sy ny tantsaha tany an-toerana. Fa tsy latsa-danja amin’izany ny ady mahamay hatrehan’iny olona iny amin’izao fotoana izao. Izy tokoa mantsy no mpitarika ny antoko navelan-drainy mba ho lovan’ny taranaka aty aorina. Fa tato ho ato dia sadaikatra amin’izay fihetsika sy fomba hanohizana ny tolona nataony hatrizay iny olona iny. Nanimba ny politikany ve ny fifangaroany tamin’izao tetezamita avo mitondra ny firenena izao ? Nitondra inona ho azy sy ny antokony ilay fihanihana ny lapa teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ?
Nifanojo teo amin’ny sampanana « tsy nampoizina » ny tolon’ny ankolafy telo sy ny antokon’iny olona iny tamin’ilay fanaterana voninkazo ho fanamarihana ny faha-64 taonan’ny 29 martsa 1947. Hitambatra noho io kisendrasendra io sa samy hanana ny fomba hitondrany ny baolina ihany ? Samy tsy manaiky ny « fomba mandeha ila » ataon’ny mpitondra ankehitriny aloha ry zareo ireo saingy hafahafa ny manjo an’iny olona iny noho ny maha-« akamany » taloha ny mpitondra ankehitriny. Koa mampanontany tena ny mpanaraka politika ihany ny tena antony nanomezan’iny olona iny tanana izao fitondrana izao : Natao ho fitaovana ve izy mba hahombiazan’ilay tolona teny an’arabe ? Raha hiverenana maimaika mantsy dia any am-ponja amin’izao fotoana izao ireo « hery miaramila » nampahomby ny tolona volon-daoranjy, ary iny olona iny sy ny mpomba azy dia aty ivelan’izany fahefana izany tanteraka. Izany no mahatonga azy ireo tsy mitsahatra ny mitsikera ny fomba tsy mahomby tsy hahitana ny fitoniana eto amintsika. Tato ho ato anefa dia tsikaritra ho mifanotrona sy mifanatona ny mlohandohan’ny mpitarika politika tsy mankasitraka ny fitondrana, ka hita ho mandray anjara amin’izany iny olona iny.
Feno soratsoratra tsy mankasitraka velively ny lasan’iny olona iny kosa anefa ny kianja fitoloman’ny mpanara-dia ny ankolafy telo. Nisy mihitsy ny mpitarika ny tolona (ray aman-dreny tokoa) tao an-kianja tao, no nangataka an’iny olona iny hifona sy hamono omby ho fanalàna faditra tamin’izay rehetra nataony teo aloha…Ka efa nisy fikasana tokoa àry ve tao amin’iny olona iny sy ny antokony fa hanatevin-daharana ny ankolafy mpitsipaka ity fitondrana ity ka handehanany eny an-kianja ? Dia hanao ahoana ny ho tohin’izany raha misy tokoa ? Aoka mantsy tsy hohadinoina fa tsy nanaiky hifangaroharo velively tamin’ireo vondrona politika ireto mihitsy iny olona iny hatraizay naha-« voaroaka » azy tao anaty fitondrana izay. Ny fomba fanaovana ny tolona no samy hafa sa ny tantaran’ny tsirairay mpitarika politika mihitsy no mifanohitra ? Efa nofafàna ny soratsoratra teny an-kianja ary efa « miantso » an’iny olona iny ny mpitarika tanora eny an-kianja, ka asa raha hanao ahoana no fandraisan’iny olona iny an’izany. Mety hisalasala sy hiahotra indray ve iny olona iny sa hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fanampiana ny fikarohana ny « ara-dalàna » ? Manalasala toy ny vozon’akoho tokoa : Aïa ‘ty hombàny ?
Dadan’i Ranto