lun.
04
avril
2011
Nila fanovana na fiovana isika, tonga amin’izany tokoa. Mila mametraka ny demokrasia isika, hoy ihany ny feo tany amin’ny taona 2009 tany, asa aloha raha tanteraka izany. Sarotra ve sa tsy hay ilay foto-kevitra notadiavina tao anatin’ny tolona navaivay ? Fa raha fanovana tokoa moa ilay nilaina, toy inona no tokony ho fisehony ? Inoana fa fiovana nankany amin’ny tsaratsara kokoa noho ny efa nisy. Ohatra hoe tsy nisy fanagadrana tsy amin’antony nanenjehana ny teo aloha. Tsy lasa tsy nanana asa ny ankamaroan’ny olona nanana izany. Tsy hidangana toy izao ny vidin’entana. Tsy hatahotra ny haneho hevitra sao izany fahalalahana izany no hampiditra ny antambo indray…
Ka io fahalalahana io indrindra no mampieritreritra. Izay ve ilay fahalalahana midika fa miaina anaty demokrasia ? Demokrasia mantsy no ilazana fa mahazo milaza ny heviny ny tsirairay, saingy misy fepetra : manaja ny hafa, tsy mandratra ny manodidina, ary manaraka ny lanin’ny be sy ny maro. Dia fanontaniana hafa indray no mipoitra avy eo : io be sy ny maro io ve no antsoina ho « vahoaka » ? Aiza ho aiza amin’izany ilay demokrasia ?
« Fitondran’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka. » Anontanio ny mpianatra any amin’ny ambaratonga faharoa fa tsy misy izay tsy mahay izany pilia vava. Tsotsotra ihany no anazavana azy, toy ny famaritan’ny boky navoakan’ny FES sy ny KMF-CNOE : « Avy amin’ny vahoaka ny fitondrana, ny vahoaka no mampandeha azy, ary ho an’ny tombontsoany manokana izany. » Mazava fa ny fifidianana no lalana hisian’izany endri-javatra izany.
Ny vaovao farany nentina namahana ny krizy eto amintsika ny fivoriana nataon’ny Troïka Sadc farany teo. Na dia somary manjavozavo ho an’ny maro aza ny valin-kafatra, dia tsotra ihany no ilazantsiak azy eto : matoa mitaky fivoriana an-tampony ny Troïka, dia satria tsy nahafa-po azy ny tao anatin’ilay sori-dalana Simao, na ampahany na manontolo. Ka iza no tokony horaisina, ny Troïka sa ny hevi-bahoaka ? Ny vahiny sa ny samy Malagasy ? Tsy nilaina hono ny vahiny, kanefa nianteheran’ny Fat indray, taty aoriana. Ary raha ny hevi-bahoaka ? Ka no tsy ny filoha voafidim-bahoaka mitondra ny hevitry ny olona nifidy azy ve no izy ? Ka aiza izy ireo, amin’izao fotoana izao ? Inoana kosa aloha fa tsy ireo « vahoaka » antsasa-manilan’Antananarivo Renivohitra nifidy an’i Andry Rajoelina kosa no feon’ny vahoaka e…