lun.
04
avril
2011
« Antitra ny tena vao be ny tanora », hoy ny fomba fitenintsika izay. Araka ny fanadihadiana iray dia voalaza fa mahatsapa ny tenany ho antitra ny vehivavy manomboka eo amin’ny faha-29 taonany eo, raha any amin’ny faha-58 taonany kosa ny lehilahy. Manomboka mieritreritra izany fahanterana izany ny ankamaroan’ny vehivavy rehefa mipoitra ny volo fotsiny. Eo amin’ny lehilahy kosa dia ny fahatongavan’ny olana mahakasika ny fiainany ara-pananahana no tondro zotra iray mety hahatsapany ny fahanterany. Ankoatra ireo ihany anefa dia milaza ny tenany ho antitra ny 10 %-n’ny vehivavy rehefa tsy malandilandy intsony ny hodiny, ny 50 % rehefa avy niteraka sy nampinono, ny 3 % rehefa mandray ny andraikiny amin’ny maha-renim-pianakaviana azy.Ny ankamaroan’ny lehilahy indray, araka ny voalaza teo ihany, dia mahatsiaro tena ho antitra rehefa tsy afaka miasa be loatra intsony any am-pandriana, ny 22 % rehefa tsy mahazaka mozika mandeha mafy be intsony. Izay izany no tonga amin’ilay hoe samy manana ny antitrany io.