sam.

02

avril

2011

Riorion’angidina

Eo ihany aloha ny raharaham-pirenena. Sady tsy mandroso ho antenaina no tsy mihemotra mankaiza. Rehefa napetraka teo amin’ny mpanapa-kevitry ny Sadc ny resaka tao aorian’ny fihaonan’izy ireo tany Zambia dia ho hafahafa indray no ho tohiny satria tsy maintsy hoentina any amin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny vondrona afrikana ny raharahan’i Madagasikara. Rahoviana indray izany ? Mbola tsy hay e ! He izany izy hoe fivoriana tsy ho ara-potoana. Ny Gasy anefa ato mifampitoraka vato eny an-tsena ! Mifandramatra ny mpivarotra amoron-dalana sy ny politsy, ary misy manararaotra ny fisehoan-javatra fa tsy hoe mandeha amin’izao fotsiny ny tarehin-javatra toy itony. Ny minisitra vao notendrena dia misy ny manao be fihavy any anivon’ireny ministera isan-tokony ireny. Tsy te-hahalala izay vilany vaky fa tonga masiaka sy mivonon-ko tompony avy hatrany. Miala daholo ny taloha, hoy ny sasany. Aiza daholo ny fitaovana rehetra hoy ny hafa. Tsy mila mitamatama fa asa no atao fa tsy kabary. Dia lasa ny fisainana : Asa mankaiza moa izany ? Asa hanao inona, ary ahavitàn-javatra ihany koa ? Sa tratrevatreava tsy misy fotony ?............

Tsy mazava ny tena fomba hitondrana ny tany sy ny firenena. Mila miandry tokoa ilay fanampahan-kevitry ny vondrona afrikana ve ny ho avintsika ? Tsy misy dinika sy ezaka avy amintsika eto ve mba hamahantsika ny olantsika ? Inona marina no tena tanjon’ny governemanta vaovao ? Nambara ombieny ombieny fa ny fikarohana ilay fankatoavana iraisam-pirenena no asa tokony hilofosany, kanefa mandrapahoviana no faharetan’izany ? Tsy efa nodradradraina teto moa fa raha vao vita ny sonia rangophy nifanaovan’ny Sadc sy ny mpanao politka Gasy dia ho azo maimaim-poana ity resaka fankatoavana ity ? Efa fantara fa zavatra tsy ho azo noho ny antonantony maro isan-karazany kanefa dia mbola enjehina sy andrandraina ihany. Mamita-tena mihitsy ny mpitondra satria tsy mihevitra ny hanaraka amin’ny antsipirihany sy ny ho amin’ny farafahakeliny ny dina nifanaovan’izy samy mpanao politika. Amin’ny fomba ahoana no hahazoana ny vorona eny an-tendron-kazo kanefa ny fitaovana eo an-tanana tsy misy afa-tsy eritreritra savoan-danitra ? Moa raha manaiky marina ny sori-dalana izay novolavolain’i Dr Simao ny Troika izay nivory farany teo dia tsy hanana fehin-kevitra akory ve ry zareo fa mbola hiandry ny fivoriam-be hafa indray ? Inona no antoka omen’izao fitondrana izao fa efa tena manakaiky tokoa ny faneken’izao tontolo izao ny fanjakana izay fihininy mafy ? Dia omena fotoana hatramin’ny oviana ry zareo mba hikarohany an’izany ? Mbola hahazaka ny fifandrohitana eo amin’ny samy mpanao politika Gasy ihany ve ny vahoaka eto ? Moa tsy izany no mahatonga ny korontana sosialy toa miha-mahazo vahana ? Tsy mba mampieritreritra ny mpitondra ve fa efa mandia ny volana Aprily isika kanefa mbola tsy manangasanga akory ny fiatomboan’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo ? Isika Gasy teto anie no namorona ny olana ho antsika e ! Isika no nahita hevitra sadasada nampiseho fifandrohitana, ka rehefa isika no mbola tsy vonona hanmpitsahatra izany dia tsy hahatoky antsika velively ny olona. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra