sam.
02
avril
2011
Rendrika teo anatrehan’ny Troika SADC indray ny tetezamita sy ny soridalan’ingahy Simao. Tampina indray ny daomy, ka nitelina double enina ireo mpitondra rehetra ao anatin’ity tetezamita ity. Tsy nampihetsi-bolomaso ireo mpivory tany Livingstone, renivohitry Zambie, akory ny filazana fa governemantan’ny marimaritra iraisana no najoro teto, ary efa nampidirina ao anatin’io mihitsy aza ireo TIM sy ankolafy Ravalomanana nivadika. Hisy fepetra horaisin’ny firenena eo anivon’ny SADC maika eto, mba hametrahana ny ara-dalàna haingana, satria efa tena tafahitsoka any anaty kizo ny vahoaka Malagasy. Ny filohan’ny FAT ihany koa etsy ankilany, dia manambara hatrany, tamin’ireo kabary efa fanaony, fa tsy hihemotra intsony, fa hiroso amin’ireo asa takian’ny firenena aminy. Marina ny azy, satria firenena eran-tany efa tsy mety mankato izao fitondrana izao ve no tsy hirosoany amin’ny tarigetra izay efa napetrany. Isan’io ny fifidianana sy ireo asa goavana toy ny kianja sy hopitaly ary dobo filomanosana manara-penitra. Goavana ireo asa ireo, ary toa tsy dia olana angamba ny vola, satria toa mahita drala hatrany ity fitondrana ity, ary tsy mitarain- tana-miepaka mihitsy amin’ny fandoavana ireo karama sy tambin-karama samy hafa omena ireo mpanao politika maro be mandrafitra ity tetezamita ity............
Esory ireo tsy namana Azo antoka fa hiova indray ity governemanta ity, na tsy izy manontolo, fa ho ampahany ihany, taorian’iny fandavan’ny Troika ny tondro zotra Simao sy ny governemanta Vital ity. Efa tsy misy mpiraharaha ilay endrika ivelany nampidirana ireo TIM nivadika, koa inona intsony no ilana ireo ao anaty governemanta ? Tsy aleo ve soloina ireo mpiara-mitolona hatramin’izay, toy izay olona nanaratsy sy namingana ny FAT nandritra ny roa taona no andeha hiara-dalana amin’ny tena°? Ny hetsika an-dalambe nataon’ireo olon’ny TIM nivadika ireo hatramin’izay no tsy nankatoavan’ny firenena eran-tany ity FAT ity, ary io mbola nolaviny io indray, koa inona no tsy handakana azy ireo ao anatin’ilay governemanta vao nijoro ? Tsy namana ireo, fa mpijapy TGV. Ny FAT mianakavy ihany koa etsy ankilany efa ela no nilaza fa hiala amin’ny SADC koa inona indray no hanambatambazana azy ireo e°? Tsy aleo ve mandeha amin’izay hitiavanareo azy, satria raha tena vonona hanaja ny eritreritrareo ianareo ka tsy hitaky ny fankatoavana iraisam-pirenena, inona no tsy nanatanterahana ny sonia tany Maputo, sy ny dinika tany Addi s Abeba ? Tsy ireo olona milaza ho mpanolo-tsaina malaza manodidina ny filohan’ny FAT ireo ve no tompon’ny hevitra rehetra amin’izay miseho eto ? Efa nipetraka ela ny tena ara-dalàna takian’ny rehetra, raha nohajaina ireny sonia teo anatrehan’izao tontolo izao ireny, saingy indrisy fa izao sisa no hiafaran’ny firenena e. Troika nantenaina no indro fa nandamoka, ary Simao natao andriamanitra kely hivavahana no nolavin’ny lehibeny tamin’ny ora farany. Sao dia ny andrim-panjakana rehetra mihitsy no ravana, dia ahilika daholo ireo TIM ireo, vao hankato antsika ny firenena any ivelany ? Imasomahita