sam.

02

avril

2011

« Pénétration »: Misy tsy mahita lavaka ?

Fomba fitenin’ny olona maro indraindray ny hoe tsy mahita lavaka. Fa ahoana marina tokoa moa ny mahakasika izay lavaka izay ? Eo amin’ny fiainana ara-pananahana no tiana horesahana eto. Ny « pénétration » no fototry ny firaisana ara-nofo, na ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny ara-nofo. Io no dingana manaraka ny “préliminaires”, na ireo safosafo sy orokoroka fanaon’ny mpifankatia ndeha hiaraka handry. “Pénétration vaginale” no resahana rehefa ny fivaviana no voakasika mandritra ny “penetration”. “Pénétration anale” kosa rehefa ny lavaka fivoahan’ny maloto no voakasika. “Sodomie” ihany koa no teny mahalaza azy. An-k avi t s iana ihany vao miresaka ny hoe “penetration buccale”, izany hoe mandeha any amin’ny vava, saingy mazana dia “fellation” no ahafantaran’ny maro izany. Ny tsara ho fantatra ihany koa anefa dia tsy voatery ho ny filahiana hatrany no miasa rehefa miresaka “penetration”. Mety ho tanana io, mety ho lela, mety koa ho fitaovana hafa izay antsoin’ny vazaha hoe “sex toys”..........

mitsofoka no manaitra ny taovam-pananahan’ny roa tonta, na ho an’ny lahy, na ho an’ny vavy. Tsy dia mandeha ho azy toy ny hita eo amin’ny lehilahy ny fahazoana fahafinaretana ho an’ny vehivavy. Miankina amin-javatra maro izany. Mila ampiarahana amin’ny safosafo, oroka amin’ny faritra hafa amin’ny vatana ny fihetsiketsehana, raha azo atao. Maro karazana ihany koa, ankoatra izany, ireo fihetsika na “positions” azo atao amin’izany. Ny tena mahazatra ny maro aloha hatramin’izao dia ny « missionaire », na ny lehilahy eo ambony sy ny vehivavy eo ambany. Miankina amin’ny fitiavana sy ny faniriana avokoa ny zavatra rehetra, hatramin’ny “positions” hatao. Manampy betsaka amin’ny fahazoana fahafinaretana ny fanovanovana matetika ny “positions” mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo indray mandeha. Ny tsara ho marihina farany, ankoatra ireo, dia izao. Mety hiteraka aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo isan-karazany hatrany ny “pénétration”, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny ahoana. Tsy misy afa-tsy ny fiarovan-tena sy ny fanajana ny vady tokana ihany no fomba azo antoka tsy ahazoana izany.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    posy (mercredi, 20 avril 2011 17:57)

    tena tsara ny firaisana satria manalava ny andro ihainana

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra