sam.
02
avril
2011
Rombo foana ny an’ny mpivarotra etsy Analakely sy ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy misy filaminana mihitsy, fa raha vao mifankahita, dia mifandramatra. Ireto mpivarotra izay mitombo andro aman’alina, satria voaroaka tamin’ny asany ny ankamaroany, nandritra ireny krizy politika tamin’ny taona 2009 ireny, ary izao mitsakaraka eny amoron-dalana izao. Ny eo anivon’ny kaominina kosa, dia tsy manaiky ny hanaovana baranahiny ny tanàna, ka avy hatrany dia mandroaka izay hitany sy mivarotra eny amin’ny tsy tokony hanaovana izany. Mifanenjika ny saka sy ny voalavo hoy ny mpitazana, ary mifampiandry kendrintohina hatrany izy ireo. Ny mpivarotra tsy te-hahalala, fa manao izay saim-patany, ny polisin’ny tsena ihany koa manararao-pahefana, ka mandroaka izay entana tandrify azy. Tsara ny milaza fa misy amin’ireo mpivarotra ny mitrosa any amin’ny banky, mba hivarotany ho enti-manavotra ny fiainany, nefa dia ao anatin’ny indray mipi-maso, dia very avokoa ny entana, satria raofin’ny mpiasan’ny fivondronana. Manirikiry ny maro ihany koa ny mahita ireo mpivarotra eny ampovoan’ny arabe, ary misy ny mankasitraka ny fihetsika ho fandaminana ny tsena. Ny mpividy aloha no tena mahazo tombony amin’izao fitobahan’ny mpivarotra izao, satria sady mora no ahitana karazan’entana maro amidin’izy ireo. Ireo mpivarotra ambara fa eny amin’ny Pavillon kosa dia tsy dia faly, satria milaza izy ireo, fa mandoa hetra any amin’ny fanjakana, saingy matin’ny mpivarotra amorondalana ny tsenany noho izao fitobahan’ny mpivarotra izao. Raha ny fifandonana niseho ny alakamisy teo no jerena, dia azo ambara fa nitroatra ny mpivarotra noho ny herisetra mahazo azy ireo saika isan’andro ataon’ny polisin’ny tsena. Izany hoe nokaikerin’ny voalavo indray izany ny saka teto. Indro ny hevitry ny mpandalo tao Analakely avoakanay eto. Nanangona Raleva zokiny