ven.
01
avril
2011
Marina fa izay vaha-olana hifaneken’ny Malagasy samy Malagasy no tena nokarohin’ny sehatra iraisam-pirenena fatratra hatramin’izay nisian’ny fanelanelanana izay. Tonga anefa ankehitriny ny fotoana tsy maintsy hakan-dry zareo izay (mety) ho fanampahan-keviny satria toa tsy mety hifanaraka sy hifandefitra amin’izay tombony efa ananany avy ny mpifanandrina ara-politika eto Madagasikara.
Ny tantara dia miverimberina hatrany eo amin’izay fomba fitantanan’ny sehatra iraisam-pirenena ny olana ara-politika ao anatin’ny firenena iray. Rehefa tsy mety hifanaraka ny mpifanandrina rehetra dia tsy maintsy hapetrany amin’ny fomba (rehetra) itiavany azy ny olony sy ny teti-panorona tiany hitantanana ny paik’adiny. Ho tonga amin’izany ny aty amintsika atsy ho atsy ?
Tsy nahitàna mangirana ny 2 taona
Marina fa nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka vitan’ny tetezamita avo izay mitantana ny firenena Malagasy tao anatin’izay 2 taona izay, saingy tsy nitondra tany amin’ny faneken’ny rehetra, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany, ilay fahefana mitondra an’i Madagasikara izany. Matetika loatra no nisy fifanarahana, notontosaina teo anatrehan’ny mpanao politika teto an-toerana, na teo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena, nodikaina sy tsy nasiana hasiny. Miteraka ny ahiahy izany rehetra izany ka tsy ampy hahatokisan’ireto sehatra iraisam-pirenena ireto fa hitondra any amin’ny fifidianana tena madio sy marina ny fitondrana ankehitriny. Tsy misy fanampahan-kevitra tena matotra sy azo ikokisana fa hahavita fifidianana tokoa izao fitondrana izao. Nisy anefa, ohatra, ny fanaonganam-panjakana niseho tamin’ny endriny mivandravandra sy nataon’ny miaramila tany amin’ny firenena Afrikana hafa (Niger), kanefa dia sahy nilaza mivantana ireo nannongana ireo, fa hiroso amin’ny fifidianana avy hatrany ary hitantana an’izany no tena antom-pisiany. Dia vita ny azy ary tsy lavarenyt oy ny tetezamita iainantsika.Ny aty Madagasikara dia ny mifanohitra amin’izany no tena zava-misy : Efa matetika loatra no nambara fa hanao fifidianana, fa tsy hay mazava izay hatao. Notondroina tamin’ny 20 desambra 2010 ny fifidianana ho be-n’ny tanàna. Nambara koa fa ny 16 Martsa 2011 ny fifidianana ho solombavam-bahoaka. Tsy nisy vita ireo fa ny fifidianana miaraka indray izao no hatao laza masaka fa azo tanterahina amin’ny septambra 2011. Ambonin’ireo dia maro ny mpanao politika , mpanao gazety, mpitolona sendikaly, olon-tsotra sivily na koa miaramila manam-boninahitra ambony no nofonjaina noho ny fanehoan-keviny. MIditra amin’ny taona faha-telon’ny tetezamita avo isika izao kanefa dia governemanta tsy manana endrika ho « madio tanana » eo amin’izay ho fififdianana hatao no natsangana maimaika mialoha ny (mety) ho fanampahan-kevitry ny sehatra iraisam-pirenena. Mpanao politika azo antoka fa hifaninana amin’ny fifidianana ho avy no ao anatin’ny governemanta Vital, ary na dia eo aza ny tsy maintsy ho fametra-pialàna hataony mialoha ny fifidianana dia tsy hahazoany ny fahatokisan’ny rehetra izany. Na ny filohan’ny fahefana Avo Rajoelina Andry aza dia mivonona ny ho filohan’ny repoblika, ka vao mainka tsy ho azo ilay fankatoavann’iny sehatra iraisam-pirenena noho io toe-javatra io.
Filohan’ny tetezamita tsy miangatra
Tsy ny sehatra iraisam-pirenena akory no azo lazaina ho mizàna tsy miangatra. Tsy izany mihitsy, saingy azo antoka ny hitadiavany olona vonona hanaraka ny paika rehetra mba tsy hisian’ny ady saritaka hafa indray ao aorian’ny fifidianana. Marobe ny mpanao politika Gasy manakaiky kokoa ny fironan-kevitry ny ankapoben’ny mponina eto Madagasikara, no sady hatokisan’io sehatra iraisam-pirenena io. Efa mandeha ny fakan-kevitra maro samihafa ho amin’ny fanantanterahana izany tao aorian’ny fandinihan’ireo teo anivon’ny Troîka ny raharahan’i Madagasikara tany Zambia omaly iny. Inona tokoa moa no andrasana amin’izay mpanao politika tokony hitondra ny tetezamita iraisana ? Tsy ny fananany paik’ady eken’ny vahoaka malagasy rehetra sy ny sehatra iraisam-pirenena ? 2 taona ngarangidina ny fahefana avo tetezamita no nanolosolo olona sy nanangona karazan-kery rehetra hanohana azy fa mbola tsy nahavaky atody hatramin’izao. Koa tsy hahagaga raha hisy akony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ilay fitenin’ny razana hoe : akoho tsy naneno hatramin’izay lanin’ny kary. Tsy maintsy hitodika any amin’izay azony antoka ho manana ny « ody » mahasitrana izy e ! Mahandrasa kely aloha !
aleo fa hita eo izay fararny ny vahoaka natao iandry foana hoattra natao iandry bus iandry sakafo iandry fitsaboana iandry fialofano .fary zala panao politika sy ny amphany manakatao tsy mila miandry izany :bus?manana fiara izy ,sakafo?feno ny azy ny frigo ,fitsaboan?manana dokotera manokana fanafody tsy olany izany fialofana manana villa na tranobe avokoa izy ireo .ianao koa aninona izy ireo nohivaky loha aminao ? ianao anie madinika e! sady tonga @ilay fiteny hoe gasy ka miandry e!
