ven.

01

avril

2011

Ramano be galona(*)

Tsotra sy tsy manam-pidiny tokoa iny olona iny. Nomena sakafo sy vola izy, noravahana galona sy mari-boninahitra, notsiahivina tao anatin’ny iray andro ny tantarany sy ny fahoriany. Dia nisento tokana iny olona iny, nitrahotraho ny ranomasony, te-hihiaka mafy ny tsy rariny, kanefa ho aiza intsony ? Kely aina, mila tsy hahajoro intsony ny tongony, miketrona ny tavany, mitambesatra ao an-tsainy ny lalan-tsarotra nodiaviny, mipitrapitra ny tenany, mangirifiry anaty, mifaly sy mitsiky kely ihany koa fa mba nasiana ravaka ny tratrany, nomem-boninahitra na ho amin’ity andro iray manan-danja ity, saingy indrisy…miandry ny fandaozany ny tany. Izay iny olona iny ! Izao fiainana iainantsika mianakavy izao tokoa ve no nirin’iny olona iny fahiny ? Marina fa tsy misy intsony ny fanompoana an-terivozona amin’ny asa tsy maintsy hataon’ny vatan-dehilahy rehetra, marina fa manana ny « fahaleovantenany » ny firenena, marina fa Gasy iray rà amin’iny olona iny no mpitondra ny fireneny, marina fa tsy misy ady amam-basy mbola hatrehina sy tsy maintsy hatao, marina dia marina koa fa « afaka » iny olona iny, ary tsy mitavandra amin’ny hafa. Noraisiny am-panetretena izay natolotra azy, tsy niady varotra hitantana an’izao sy izao izy sy ny taranany, tsy nisisika hitondra fanjakana, tsy nitaky tambiny, tsy nila vaniny..Dia sanatria nanaiky resy hatrany toy ny tamin’ny 64 taona lasa ve ?

Miverimberina ny fitantaran’iny olona iny ny zava-niainany tamin’ny tolona nataony ho an’ny fireneny. Tsy nisy vola nanambazana ny fihetsiny. Niady ny ho tombotsoan’ny vazaha iny olona iny tamin’ny ady lehibe teto amin’izao tontolo izao. Nahita izy, nanatri-maso fa ady sy tolona vao mety ho azo ny fahafahana. Tsy maintsy hatrehina ny fifamonoana, ary tsy maintsy ny mpandresy no mametraka ny lalànany sy ny fifehezany ny resy. Saiky lasa adala iny olona iny raha niverina avy tany amin’ny ady lehibe, kanefa izany no nampihetsika ny fitiavan-tanindrazana tao anatiny. Tsy nanekeny intsony ny fibaikobaikon’ny mpanani-bohitra sy ny mpanjanatany. Notoherin’iny olona iny tamin’ny herin’ny tenany ny tsy rariny nanoloana azy. Tsy nisy baikom-pitolomana nanetsika azy afa-tsy ny fahaleovantenam-pirenena. Nafoiny ny fiarahana mamy sy ny fiainam-pianakaviana. Niaretany ny tondro-molotra nataon’ny mpialona sy ny mpisolelaka tamin’ny fahavalo niombonana… fa mbola eo hatrany iny olona iny hatramin’izao. Mifanindran-dalana sy nomena mari-boninahitra niaraka taminy ireo mpitsivalam-pandry sy nanenjika azy tamin’ny fotoan’andro. Tsy niteny iny olona iny, tsy mbola nila vaniny ihany, naleony nifitsaka sy nangina…mbola manaiky ho resy ihny ve ? Nisy ve lesona àry ve mba azontsika taranaka ankehitriny mba noraisina tamin’iny olona iny ? Mendrika ho antsika miaina amin’izao vanim-potoana izao ve ny hangina hatrany ? Hanaky ho resy ? Sa efa to sy tonga amin’ny tanjona notratrarin’iny olona iny ny firenentsika. Efa tojo ny fahafahana sy ny fahaleovantena ve ny firenena ? Dia hiady fo isika mba hitondra sy hitantana izany firenena izany, hifamono am-pitoerana mba hiady fahefana ? Hiady mafy mba hiravaka ny voninahitra sy ny galona tsy nisasarana ? Raha izany no fototry ny politikantsika dia azo antoka fa nanenina tamin’ny vitany iny olona iny. Naleony tsy nitolona toy izay ifampitolomantsika toy izao ny zava-namonoany ny tenany. Indrisy Ramano be galona ! Mazana tokoa ny tolona fa tsy hitan’ny olona !

(*) noforonina tanteraka

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra