jeu.

31

mars

2011

Sarivongana namangy tsangam-bato

Mahatalanjona ny mijery ny fihetsiky ny mpanao politika Gasy manoloana ny tantarany. Mijoro tsy fidiny satria tsy mahalala akory ny tany tokony hodiaviny sy hitsahiny. Mitsitaitaika toy ny tain’ny marary ny fahatongavan’ny mpitondra ao anatin’ilay fahefana avo eto Madagasikara, nanoloana ny tsangambaton’ny maherifon’ny firenena teo Ambohijatovo teo. Samy mitonona ho mpitondra » fanjakana » kanefa tsy voaavaka tsara ny maha-ofisialy sy ny « fianakans » manokana..Ankoatra an’izany, ny nataon’ny Filohabeny tany Moramanga tany, satria manala adidy tsy maintsy hatao ny tenany. Mijoro tsy fidiny toy ny hafa rehetra. Inona no ao an-dohany ? Inona no hevitry ny « fampirevena » ireo konkan’ny « ady » nandritra ny 64 taona ? Tsy hoe tsy misy vidiny sy lanjany akory ny ezaka nataon’ireny olona ireny teo amin’ny fikarohana ny fahaleovantenam-pirenena nandritra ny fotoana lava. Tsy izany velively mihitsy ! Fa mampivoitra inona sy mitondra amin’ny tanjona mankaiza ny fijoroan’ny sarivongana ahetsiky ny mpilalao azy manoloana ny tsangam-baton’ireo « nofaiziny » sy « novonoiny »?............

Iza tamin’ireo mpanao politika tonga nitsitaitaika teo Ambohijatovo, sy ireo nanao rodobe nampifanojoan’ny kisendrasendra( ?) no tena mandova ny fitiavan-tanindrazana nahafatifaty foana ny mpitolona taminny taona 47 ? Iza no sahy hiteny fa tsy nohetsehan’ny tombony ho azy manokana ireo nijoro teo anatrehan’ny tsangambaton’ny tantara ? Iza no nandeha tsy novoizina te-hiseho am-pitiavana (tokoa) amin’ny fanompoana ny fireneny ? Inona no dikan’ireny basy narangaranga sy « nampitahorina » ny Gasy ireny ? Ireny ve no endriky ny fiarovana marina ny firenena ? Tsy fanamarihana ny « faharesena » nanoloana ny « paika politika » nataon’ny mpanjananaka ve no anton’ny fanamarihana ny 29 martsa hatrizay hatrizay ? Koa nahoana ny Gasy no resy tamin’ny ady tsy fidiny nataony ? Satria misy, ary mbola hisy hatrany ny sarivongana mpanompo « hery hafa » tsy miady ho amin’ny tombotsoa itambaran’ny Gasy mihitsy. Raha fahaleovantena norombahina teo an-tanan’ny Gasy ve no nokasaina haverina ho eo am-pelantanany indray dia tokony hiteraka fisamatsamahana izany ? Efa aty amin’ny 64 taona aty aoriana dia « mitomany valala » eo anoloan’ny tsangam- bato ny Gasy niniana tsy nampahafantarina ny tantarany. Mbola ny sarivongana ihany no mivazavaza sy midehaka ho mpitondra sy ho mpampianatra azy. Mbola voatery hiady tsy fidiny hatrany ny Gasy : Hiady amin’ny tsindrihazolena mpahazo azy hatrizay, hiady sy hitolona ho amin’ny hanina hohaniny isan’andro (tsy hisy intsony ny fiaraha-misakafo amin’ny mpitondra), hiady sy hamoy ny ainy ho an’ny fireneny noho ny hevitra (mba) avoakany, hiady mba hamelona ho ao am-pony indray ny hery nanetsika ny razany hanohitra ny tsy rariny. Vao miantomboka ny tantaran’ny Gasy, rehefa nopotehina nandritra izay 115 taona izay. Ny olana ho an’ny Gasy dia mampizara azy hatrany ny tantarany. Kanefa tsy hisy fananganana sy fanorenana vaovao indray raha tsy fantatra sy eken’ny rehetra ny tantarany. Tsy hisy firenena vanona raha mbola sarivongana tsy afa-mampihetsika ny tenany no hitondra sy hitarika ny firenena. Tsy maintsy miverimberina ny tantara raha tsy haintsika ny mampivoitra ny faha-samihafana ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana. Rehefa tombotsoan’ny firenena dia ho an’ny Gasy izay, tsy misy Tanivo sy Tantsiraka, tsy misy maha-antandroy sy sakalava, na maha-merina sy antankarana, na vezo , na antambahoaka, na masikoro, na antesaka, na betsimiaraka, na antanosy… Samy tompon’ny firenena, ary tokony hanaiky fa misy ny « marina » iraisan’ny Gasy rehetra dia ny fankamamiany ny fahafahana sy ny fahaleovantenany. Izay mitspaka an’izany dia manao fihetsiky ny sarivongana mamangy sy mijoro toy ny labozia manaoloana ny hasin’ny tsangam-bato…sy tsangankevitra mampitambatra Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Tia an'i Madagasikara (vendredi, 01 avril 2011 08:40)

    Ny mahavariana, mitonina ho tia tanindrazana miady amin'ny mpanjanantany (frantsay) anefa ampiasain'ny mpanjanantany (frantsay)hiviravira ny harempirenena sy hanjaka eto. Olon'ny frantsay no apetraka manokana hitantana ny ministeran'ny raharahambahiny. Nankaiza daholo ireo lazaina mpitolona rehetra

  • #2

    Rafi (samedi, 02 avril 2011)

    Fandatsana ireo namoy ny ainy tamin'ny tolona 1947 ireny nataon'ny saribakoly frantsay tany Moramanga ireny

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra