jeu.

31

mars

2011

«Préliminaires» : Lela sy tanana no tena miasa

« Préliminaires », na ireo karazana fihetsiketsehana fanao mialoha ny tena firaisana ara-nofo. Betsaka ny lehilahy tsy dia miraharaha azy io, nefa tena ilain’ny vehivavy ny fiainana azy. Satria tsy mitovy ny « excitation » eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zavatra kely jeren’ny masony fotsiny dia efa mampiakatra izany eo amin’ny lehilahy. Mila fotoana maharitraritra sy fihetsika maro hafa kosa ny vehivavy. Zava-dehibe ho an’ny vehivavy anefa ny “excitation” eo amin’ny fiainany ara-pananahana. Mampalefaka tsara sy mahamando ny fivaviany ary miankina amin’izay ny fahazoany fahafinaretana. Raha ny tena filamatra dia voalaza fa eo amin’ny 10mn eo no tokony ho faharetan’ny « préliminaires » raha fohy indrindra, haha-« exciter » ny vehivavy...

 

Ny safosafo aloha no fantatra fa tena mandaitra amin’io « préliminaires » io. Mila atao misimisy sy amin’ny faritra tena mila azy. Manampy ny safosafo ao ny teny mamy isan-karazany. Manana kisarisarin-tsaina bebe kokoa noho ny lehilahy mantsy ny vehivavy. Izay no mahatonga ny ankamaroan’ny vehivavy hankafy ny tantara an-tsoratra miresaka vetaveta noho ireo lehilahy mankafy izany mivantana amin’ny horonan-tsary jeren’ny masony. Maha-“exciter” ny vehivavy, ohatra, ny firesahana aminy ny zavatra hatao azy sy ny tiana hatao, saingy tsy maimaika koa milaza izany. Raha ampiharina ireo rehetra ireo dia tsotra. Ataovy aloha izay ahazoana aina, ahafahana mampiasa ny lela sy ny tanana miaraka. Ataovy malefaka tsara ny safosafo, indrindra raha mbola maina ny fivaviana. Mety hiteraka fanaintainana indray izany raha diso mafy loatra. Na izany koa aza tsy hoe mifantoka eo amin’ny faritry ny taovam-pananahana fotsiny fa tsy tokony hadinoina ny faritra hafa manaitaitra toy ny nono, ny fe, ny hatoka …

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra