jeu.
31
mars
2011
Miha madio ny tananan’Antananarivo amin’ny ankapobeny saingy maizina am-pototry ny mazava ihany raha ireo olona mijorojoro manao bizina manodidina ny lapan’ny tanànana vaovao no jerena. Tsy isalasalana hoy ireo olona maro mitaraina fa tena ny fisian’ireo mpanao bizina ireo no miteraka tsy filaminana ao amin’ny tanàna ao. Manomboka ery akaikin’ny “palais de nouveauté” taloha, hatreny amin’ny boriborintany I, ao Analakely io, dia misy lehilahy sy vehivavy manontany izay olona rehetra mandalo : « Misy volamena amidy ve ? » na “hividy volamena ve?”…Amin’ny lafiny iray dia mahasorena satria ho an’ny efa mahalala dia fanambakàna miharo halatra no ambadik’ireo bizina ireo. Maro no voaendaka na dia tsy tena volamena aza ny firavaka eny aminy. Tsy mbola misy aloha ny antontan’isa marina amin’izay efa voaendaka teny Analakely fa ny azo antoka dia misy isan’andro. Saika fantatr’ireo mpanendaka ny olona somary vahiny amin’ny tanàna ka ireny no arahany mandrampahavoany azy. Dia tsy menatra koa ireo mpividy volamena an-tsokosoko, mandray ireny halatra ireny amin’ny vidiny moramora kokoa. Lafo anefa no hamarotany azy ho an’izay mividy eo aminy. Manao antso araka izany ireo vahoaka mpandalo eny Analakely amin’ny tkony hanomezana toerana voatokana ho an’ireo mpanao bizina, mba ho ara-dalàna kokoa ny asa ataony sady tsy hiteraka tsy filaminana isan’andro lava izao. HERY A