jeu.
31
mars
2011
Tapitra ny 15 andro nitanana ity mpanao politika mpitarika ny mpanohana an-dRavalomanana i t y. Narantiranty hohitan’ny rehetra anefa tao anatin’izay 15 andro izay, fa tsy misy hirika handavan-dRakotoarivelo Mamy fa tsy izy no ati-doha nifofo ny ain’ny filoham-panjakan’ny tetezamita avo Rajoelina Andry. Nijoro nanameloka azy, ary nalefa any Ambatolampy ireo roalahy nanondro ny anarany. Noporofoina sy naseho angazety sy tamin’ny haino aman-jery fa voamarina tsara ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny finday nifanaovan’izy ireo. Mbola tsy nandalo ny fitsarana mpanao famotorana akor y dia efa « meloka » sy tsy afa-nikofoka ity Sekretera jeneralin’ny Tiko i Madagasikara ity noho ireo anton-javatra i reo. Nahavar iana anef a fa ny takariva madiva ho alin’iny 29 martsa 2011 iny dia nohafahana izy. Inona no antony ? Tsotra ny fanambaran’ny fitsarana, tamin’ny alalan’ny mpitsara zokiolona: Nomena fahafahana vonjimaika Rakotoarivelo Mamy tamin’ilay raharaha fipoahana vanja teny amin’ny farihin’ni Masay, izay nikendrena ny fiara nitondra ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tamin’ny 03 martsa 2011, ka nitazonan’ny sampana nisahana ny fiarovana ny lafin-tany na DST azy. Politika ve izany sa azo antoka tokoa ny fitsarana sy ny mahatany tan-dalana ny et o Madagasikara ?.............
Kilalao politika Tsy nisy fanehoan-kevitra mazava teo anivon’ny mpitory sy ny mpanenjika (fanjakana ?) tamin’ity raharaha ity. Mety tsy ilaina loatra angamba ny fanehoan-kevitra satria mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny porofo isan-karazany. Anisan’ny manamarina izany ny fahitana indray ny grenady mahery vaika izay nampifandraisina avy hatrany amin’ity raharaha ity. Saingy matoa nahazo fahafana vonjimaika ny olona noheverina fa tompon’antoka tamin’iny fikasana « hamono filoham-panjakana » iny dia nisy anton-javatra lehibe sy goavana tao. Kilalao politika no tombanana ho antony. Na iza na iza hanazava dia tsy maintsy mihaiky fa miankina indrindra amin’ny toe-draharaha eto amin’ny tany sy ny firenena ny raharaha. Teo ny fiahiahian’ny Fanjakana Frantsay ny amin’ny fomba nitazonana ity mpanao politika, izay anisan’ny mpidinika amin’ny fikaroham-bahaolan’ny Gasy ity. Eo andanin’izany dia efa nitsangana sy nijoro ny governemanta « iraisana », sy eo ampiandrasana koa izay mety ho avin’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Politika daholo izany fa tsy azo heverina fa nifanojo tsy fidiny tamin’izao fahafahana vonjimaika izao tsy akory. Dia inona anefa no mety ho tohin’ny raharaha ? Tsy tokony hisy ve ny andraikitra tsy maintsy raisina amin’ny toe-javatra politka toy izao ? Mbola lavitra ny fomba fampiharina ny lanjan’ny asan’ny tsirairay manoloana ny toedraharaha politka toy izao.
Aza menatra maka fanapahan-kevitra Tsy midika velively fa mitsahatra hatreo ny fanenjehana ity mpanao politika voatondro ho mpifofo ny ain’ny mpanao politika toa azy ity, raha ny fahafahana vonjimaika nomena azy. Saingy mampieritreritra ihany ny fomba fanao eo anivon’ny tontolo politika malagasy. Moa tsy famotehana ny zo mahaolombelona sy ny tsiambaratelon’ny famotorana no natao nandritra iny raharaha iny ? Raha nandeha noho ny fanajany ny asany marina ny mpanao fanadihadiana, izay miankina mivantana amin’ny fiadidiana ny tetezamita avo, dia tokony hahatsapa izy ireo fa mpanatanteraka « hetsika politika » fotsiny. Ary raha tena tsapany marina fa misy « mpibaiko » izy ireo dia tsy tokony hisalasala hametra-pialàna avy hatrany, satria tsy mifanaraka velively amin’izay fikelezan’aina ampahamarinana nataony ny « baiko politika » nitsabaka tao anaty vilaniny. Moa tsy ireto mpanao fanadihadiana ireto no nandrangaranga fa heloka tsy azo ivalozana sy mety hitarika any amin’ny gadra mandra-pahafaty ity heloka natao ity ? Dia inona no lanjan’izany resaka izany ? Inona no maha-saro-pady ny asany amin’izany ? Tsy tokony ho « politika » velively no hanimba ny asan’ny tsirairay, fa matoa manaiky hanatanteraka « baiko politika » dia efa mpanao politika matihanina izany. Tsy manana ny fahaleovantenany eo amin’ny asa ataony. Dia iza indray no mbola hahatoky azy ireo raha mbola (sanatria) misy manao « hadalana » toy iny ao aoriana kely ? Sa ny fitondrana mihitsy no nanjary ho malemy modaka ? Ka inona ihany no antony hanaovana politika raha ifamotehana fotsiny?