jeu.

31

mars

2011

Lasa i Mémé misolo Monja

Tafaray ny tia sy ny manina ! Hanamafy ny ankolafy telo ny PM voalohan’ny FAT Monja Roindefo, rehefa nitsipahin’ny FAT am-bava fo. Tsy tonga namana vao mavomavo kosa ireto, farany satria mitovy tadin-dokanga amin’izy ireo ny fitakian’ny MONIMA ankehitriny amin’ny fametrahana ny ara-dalana sy ny tetezamita iraisana. Lasa izany i Mémé miditra i Monja. Olona samy avy any atsimon’ny nosy ny fiavian’izy roalahy ireto, saingy raha ny politika, dia manana ny politika tsara petraka lavitra i Monja, satria olona voataiza tsara ara-poto-kevitra tao amin’ny antoko Monima. Lehilahy sahy mandray andraikitra ihany koa raha i Monja Roindefo, satria zanaka mpitolona tia tanindrazana izy, dia i Dada Monja Jaona izany. Raha ny fivadihan’i Mémé tao amin’ny ankolafy Ravalomanana indray, dia tsy naha-taitra ny maro izany, satria heverin’izy ireo, fa efa tsinjo efa ela ny mety ho fivadihany tahaka izao. Tsy nisy latsa-dranomaso tamin’ny fandaozany ny ankolafy telo ny rehetra, raha hoby sy tehaka kosa no nitsenan’ny vahoaka an’alinkisa an’i Monja Roindefo ny talata lasa teo. Tsy lany mpitari-tolona tokoa ny mpanohitra ary na ny fitiavan’ny vahoaka azy roalahy ireo anie ka samy hafa e. Sa tsy marina izany ? Pilo kely

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra