mer.
30
mars
2011
Tsy mbola nandrenesam-peo ny sehatra iraisam-pirenena raha ny mikasika ny fanedrena ny Praiminiritra « iraisana » Vital Camille. Toy izany koa ny fandrafetana ny governemanta hatramin’niny Asabotsy lasa teo iny. Tsy misy resaka! Mangina tanteraka! Mbola andrasana izay hateraky ny fivorian’ny mpanapa-kevitra eo anivon’ny « troika ». Inona no hitranga ao ambadiky ny 31 martsa 2011 ?
Inona loatra no nahateritery ny mpitondra tetezamita hanangana sy handrafitra avy hatrany ny governemanta ? Noho ilay fe-potoana 10 andro nomena ny Praiminisitry ny Fitondrana Avo ? Sa noho ny antony hafa mihitsy ? Nambaran’ny mpitarika ny tetezamita avo fa noho ny sonian’ny mpanao politika teny Ivato, izay voatondron’ny andininy faha-6 ao anatin’io ravin- taratasy io no fotofotoptry ny fananganana ny governemanta. Izany fihetsika izany dia midika fa miandrandra fatratra ny haneken’ny sehatra iraisam-pirenena azy ny fitondrana « vaovao ». Mifanindran-dalana hodinihin’ny mpanampa-kevitra ve ny « sori-dalana hafa » vao narafitra tany Afrika Atsimo farany teo, sy ny endrik’ity governemanta nampifanarahana amin’ny sori-dalan’Ivato ity ?
Firaisam-pirenena
Adikan’ny mpitondra ny tetezamita avo ho fampifangaroana olona maromaro ao anaty governemanta ilay atao hoe : firaisam-pirenena. Io no teny arantiranty mba hahazoana ny fankatoavana iraisampirenena sy handrosoana any amin’ny fifidianana ho tantanin’ity governemanta Vital ity. Kanefa tena mamaritra izany firaisam-pirenena izany marina ve ny fisehoan-javatra ? Nahoana no mandritra ny « fanamarihina » ny andro manjombona eo amin’ny firenentsika, toy ny omaly 29 martsa, no voarara sy tsy azo hiresahana politika ny tanàna ? Fa tsy politika ve no anton’ny 29 martsa e ? Na inona na inona nanapoahana iny raharaha iny dia antony politika no nampirefotra azy. Tsy azon’iza n’iza hokosehina ihany koa fa mizara roa hatrany ny foto-kevitra ara-politikan’ny Gasy isaky izay misy fanamarihana ny tantaran’ny 1947 io. Ao ny mpamendrofendro izay te-hifikitra hatrany amin’ny fanajana ny resaka sy baikon’ny mpanjanaka (ara-tantara sy maoderina). Ankilan’ireo kosa izay rehetra te-hanifika sy mitsipaka marindrano io fanajanahana io na amin’ny endriny manao ahoana, na manao ahoana. Koa ‘ndeha atodika aty amin’izay zava-mitranga ankehitriny àry ny saina aman’eritreritry ny Gasy : Moa ilain’ilay sehatra iraisam-pirenena tokoa ve ny « firaisam-pirenen ‘ny Gasy » ? Hitondra inona ho an’izao tontolo izao ny firaisan-kinan’ny Gasy te-hiala amin’ny fanagejana nanjo azy hatramin’izay ? Moa tena misy sehatra iraisam-pirenena matanjaka ka mahay manaja sy manaiky izany « faha-samihafana » ao anatin’ny firenena iray izany ?
Inona moa no mahatonga ny ady an-trano ho miha-mahazo vahana any amin’ireo firenena arabo sy afrikana izay lazaina fa « rahalahintsika » ? Tsy ny fanararaotan’ny sehatra iraisam-pirenena ny faha-samihafan-kevitra, na finoana, na fiaviana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana ve maha-romotra ny mpihazona ny fahefana any amin’ireny firenena ireny ? Ka mpanao politika Gasy iza no sahy handrangaranga firaisam-pirenena « tena izy » ka omeny izany fahatokisany izany ?
Leo fifandirana sy saritaka
Ny vahoaka dia leo fifandirana sy saritaka ka manjary « manaiky tsy fidiny » izay « fampiraisana » natolotra azy. Tsy mbola mivaona amin’ny tantara ny famakafakana, ka te- hilaza amin’izao fotoana iainantsika izao fa tsy nomena tamin’ny alalan’ny heri-pon’ny Vahoaka Gasy ny fahaleovantenany. Nomena tsy nasiana vidiny fa natao takalo mindrana ny amin’ny fitohizan’ny fahefana te-hanohy ny fanjanahana hatrany. Koa atolotra ny Gasy indray ankehitriny ny tetezamita « iraisana » sy hambara fa « fampiraisam-pirenena », kanefa iza no tsy mahalala fa ny fanambarana mialoha fa « voarara ny fanaovana hetsika politika, ary hohenjehina sy faizin’ny lalàna ny minia mandika izany » dia mbola endriky ny famoretana hatrany izay tsy mitovy fijery sy te-hilaza ny fitakiany ny fahafahany. Notondroina ho manararaotra ny vani-potoana ireo « maningana » ka mila fehezina ao anatin’ny « fampiraisam-pirenena ». Ireo fihetsika rehetra niseho ireo dia hampisehoana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa « voafehy » ny fitondrana ka tokony hampiana izy mpitondra mba hahafahany miroso bebe kokoa. Dia hiverina indray ve ny tantaran’ny Gasy ka ho azo amin’ny tsy antony (indray) ny fankatoavan’ny sehatra iraisam- pirenena mba hanohizana ny fifehezan’ny mpihazona ny fahefana ny « fampiraisam-pirenena » nataony ho fitaovana ? Aleo ho vita ny diniky ny mpanapan-kevitra fa ny Gasy tsy maintsy miandry e !