lun.
28
mars
2011
Manahirana ny manoratra na koa mitantara ny tena zava-misy nanakaiky kokoa ny tena marina raha ny raharaha tamin’ny taona 1947 no hiverenanana sy hotsiahivina. Samy manana ny fitantarany. Samy milaza ho mahafantatra ny marina ho azy. Samy tsy manaiky ho tompon’antoka tamin’ny famonoan’olona mahatsiravina niseho teto. Fan a inona na inoana familivilian-dresaka dia mbola tsy levona ary tsy maty ao am-pon’ny Gasy ny fitiavany ny taniny, ny fankamamiany ny tanin’ny razany. Tsy azo dinganina fotsiny ny tantara fa aleo iverimberenana mba ahitana ny meloka tokony ahitsy, na koa hanarenana ny tsy nety. Nofantenana àry ny lahatsoratra roa samy hafa ary tena mifanohitra, izay marihina fa efa nivoaka tao amin’ny Gazety feon’Imerina Laharana faha-157, tamin'ny 30 Mey 1997, mahakasika indrindra ny fitantaran’i Tsiranana Philibert, ary navoakany tao amin’ny Gazety Voromahery laharana faha-53 tamin’ny 5 aogositra 1947, sy izay nosoratan-dRAKOTONIRAINY Joseph, tonian'ny M.D.R.M tao anatin'ilay boky nampitondrainy ny lohateny hoe: «NY MARINA MOMBA NY MDRM sy ny ZAVA-MIAFIN'NYFIKOMIANA MALAGASY TAMIN'NY TAONA 1946/1947» .
Samy mazava saina ny Gasy te-hahalala bebe kokoa ny tantarany koa anjarany no tsy hihinana am-bolony intsony izay nolazaina sy nambara taminy. Indrindra tsy natao hampisaraka ny taranaka velively na koa hifananganana ady sy hifandrangitana, sanatria, ny tantaran’ny Gasy. Araho am-pitoniana ary ! Ary tsy nahagaga tokoa raha resy ny Gasy tamin’iny zava-nisy sy niseho tamin’ny 1947 ?
Hoy ny filoha taloha Tsiranana Philibert izay rain’ny fahaleovantena
1 - TAONA 1945
Tonga teto Antananarivo ny Conseils Representatifs Tanindrana rehetra, namonjy ny fivoriana voalohany. Ary tamin'io fotoana io koa dia niseho ilay didy nanome antsika Malagasy solontena roalahy (députés) ho any Frantsa. Faly ny mpanao politika teto an-drenivohitra tamin'izany andro izany raha nahita ireo rahalahy avy any Anindrana tonga teto, hiara-handinika ny fifidianana sy olona mendrika halefa any an-dafy. Ka noho izany, nanao fanasana Dokotera Rakotonirainy sy ny tariny ho an'ireo Conseillers Representatifs Tanindrana, ary io fanasana io no nararaotina handinihana ny raharaha.(...) Tonga namonjy ny fanasana MM Prince Kamamy, Toto Vantana, Mamy Lazantsy, Bizaka, Turqui (avy any Comores) sy ny Conseils Representatifs isam-paritany,(...) Ry zareo mpanasa moa dia ireto avy no lohandohany: Dr Rakotonirainy, Dr Ravoahangy, Randriambololona , R. Lapidaire, P. Ralaivoavy… Izao no teny tapaka tao :
Ny député amin'ny 1ère circonscription dia Ravoahangyno hofidina, fa ny 2ème circonscripition dia hakàna Tanindrana, ka Ralaivoavy (Tsimihety terak'i Mandritsara) no notondroin'ny Dr Rakotonirainy ka neken'ny be sy ny maro. Ka nanao velirano fa tsy misy hivadika; ary zareo Hova vory tao no nanome toky fa hisakana izay Merina rehetra te-hanao candidat any amoron-tsiraka, sady hanome baiko ireo Hova any anindrana mba tsy hifidy afa-tsy Ralaivoavy. Randriambololona dia nipetra ampinga mihitsy fa hisakana an-dRAZAFINTSALAMA Gabriel mba tsy hanao candidat any Majunga. Natoky azy ny Tanindrana, ka samy nandefa telegrama amin'ny faritany niaviany avy nilaza ny hevitra tapaka. VANTANA Toto Honoré dia andefa telegrama tany amin'ny faritanin'i Majunga nilaza fa tsy candidat izy fa i RALAIVOAVY no hofidina. Kanjo inona no hita? Razafintsalama tsy nitsoaka, ary azoko lazaina hoe marina ny azy satria fantany ny tetik'adin'ireto Ravoahangy sy ny tariny. (...) Raseta no efa hatsangan'izy ireo hofidiana any amorontsiraka andrefana(...), fa RAZAFINTSALAMA Gabriel izay tsy iray antoko aminy no nambarany teo. Ka noho izany, ilay velirano natao dia fitaka fotsiny hamelezana ny Tanindrana. (...) Ity no vokatr'izany fitaka izany: Nisaritaka ny candidature taty amorontsiraka. Niditra indray VANTANA, satria, hita fa ho ratsy ny raharaha, kanefa RALAIVOAVY efa tafiditra ihany koa. TOTOLEHIBE Félix nitsoaka satria nahazo telegrama avy taty Antananarivo, kanefa ny propagande efa lasa, tsy hain'ny Tanindrana intsony izay hofidina. Ka resy teo ny Tanindrana satria nofitahin'ny rahalahiny taty Antananarivo.
2 - TAONA 1946
Lasa tany Frantsa àry RASETA sy RAVOAHANGY, (...). Novelominy ny fikambanana anankiray atao hoe: «Société TSIMIHETY - SIHANAKA» satria mba hikarakara ny tenany izy, fa hoy ny ohabolan-drazanay Tanindrana hoe «zana-dambo, ka izay tsy mitrongy tsy homana»(...). Nivory matetika ary ny Tanindrana handinika izay hahasoa azy. Novàny ny statut sy ny anaran'ny fikambanana, ka natao hoe «société TSIMIHETY-SIHANAKA ET ASSIMILES» mba ho mora hidiran'ny Tanindrana rehetra tsy an-kanavaka. Ary tapa-kevitra fa hamoaka gazety mihitsy : Ny gazety aza efa nomena ny anarana hoe : «NY FEON'NY TANINDRANA». Ny zavatra tena nokendrena dia ny hanaovana propagande amin'ny fifidianana ao aoriana (2ème Assemblée Constituante sy ny hafa rehetra). Niverina ny deputés roalahy ka tonga teto Antananarivo. Namolavola ny fifidianana ho an'ny 2ème Assemblée Constituante indray ny vahoaka. Indray andro nivory tao Ambodifilao ny tarik'i Dr RAKOTONIRAINY sy ny hafa rehetra. Tsy mbola kivy ihany ny Tanindrana ka nandefa solontena anakiray tany ka JEREMIE no voatendry tamin'izany. Ny adidy nomena azy dia ny hiady hevitra koa amin'ny MERINA mba hisian'ny DÉPUTÉ CÔTIER, sy mba hahafantaran'ny any andafy fa tsy tenin'ny Hova ihany no lazaina any, fa an'ny Malagasy rehetra. Kanjo noho ny fitiavam-bonihanitra, tsy nanaiky an'izany ireo Merina izay nivory tao, fa aleo, hono, ho azy Merina ihany ny députation, izany hoe RASETA sy RAVOAHANGY ihany no hofidina. Ary tsy vitan'izany ihany fa nanaovany teny ratsy sy fanambaniana hoe : «moa ve raha mba atao secrétaires hianareo Tanindrana, mampaninona izany e!». Tezitra ny solontenanay ka niverina nilaza an'io teny ratsy io. Tsy faly izahay Tanindrana teto Antananarivo ka nanoratra tamin'i Dr RAKOTONIRAINY hoe : «Aoka ny députés roalahy ho Tanindrana daholo, ka RASETA sy RAVOAHANGY no ho secrétaires-ny».
Niatomboka teo ny fisarahan'ny Hova sy ny Tanindrana. Ka teo amin'ny fiafaran'ny volana Avril angaha, raha tsy voalohandohan'ny volana Mei 1946 dia mbola nihevitra indray koa izahay Tanindrana teto Antananarivo, ka niantso an'i Dr Rakotonirainy sy Robert Lapidaire izahay hifandinika. Niala tsiny i Robert fa tsy afaka fa nisy nanahirana azy, hono ka i Rakotonirainy irery no tonga. Teny amin'ny Ecole Chrétienne Ankadifotsy no nivory izahay. Rehefa vita ny fialan-tsiny momba ny taratasy henjana voalaza ery ambony, dia naroson'i Paul RALAIVOAVY, lehiben'ny fikambanana ny resaka. Ka mbola ny fifidianana ihany no venti-dresaka. Tsy azo nahodina Rakotonirainy ka nifikitra tamin'i Raseta sy Ravoahangy.(...) Nisara-maina ilay resaka, tsy voavitrana ny fihavanana, fa vao mainka niharatsy aza, lazainy fa tsy azo hitokiana hono ny Tanindrana, fa Ravoahangy ihany no itokiana, ny Tanindrana hono tsy ampy fahaizana,sns...
Ny marainan'ny fivoriana tany Ankadifotsy, raha vao nifanena tamin-dRATSIMANDRAVA, professeur Assistant principal ao amin'ny Ecole Le Myre de Vilers aho dia nilaza taminy hoe : «Moa ve Rangahy, raha mba hanao fikambanana iray hianareo Hovamainty sy izahay tanindrana, mba hahafaly anareo ve izany ?...» Namaly izy ka nanao hoe : «Tena tsara mihitsy izany Rangahy!» (...). Maro ny avy hatrany dia nankasitraka: toy an'i Printsy AMADA ao Anosibe, Printsy KAMAMY any Belo-sur-tsiribihina sy VANTANA Toto Honore ao Majunga, sy ny maro hafa.
Sahala amin'ny nobaikon'Andriamanitra ny MAINTY. Samy nahazo hevitra hamorona fikambanana ho azy daholo izy ireo (...). Tao ny tarik'I Elison Jean Chrysostome sy Ramanandafy, tao ny tariky ry Ralibera Jean Weil sy Ramambason sy Rakotovao Joseph etc... Tsy nifampilaza akory izy ireo ary ny sasany aza tsy nifankahalala akory, kanefa sahala amin'ny nahazo baiko tokana hoe : «MANAOVA FIKAMBANANA».
Hoy ny dokotera Rakotonirainy tonian’ny MDRM:
Voatonona fa hanana depiote anankiroa i Madagasikara: iray ho an'ny afovoantany sy ny ilany atsinanana.,ary iray ho an'ny ilany andrefana. Noho izany rehefa hodinihinay vitsivitsy dia hita fa tonga ny fotoana sy andro ary taona hanehoana ho ren'izao tontolo izao ny tarigetram-pirenena ara-dalàna hisotroana ny alaeoko maty, mitaky ny fahaleovatenan'i Madagasikara (...) Ny foto-kevitra na tarigetra hijoroana dia ity : MITAKY NY FAHALEOVANTENANY I MADAGASIKARA. FOANANA NY LALANA tamin'ny 6 Aogostra 1896. MADAGASIKARA LIBRA HO REPOBLIKA IRAY TSY MIVAKY. Ireo no fototry ny kabary hatraiza hatraiza.
Nony Afaka roa andro dia nisy namana nilaza fa efa nametraka ny filatsahany ho depioté ny Pastera RAVELOJAONA. (...) Rehefa tonga tany izahay ka vita ny fifampiarahabana dia natomboka ny resakay taminy.
-- Tonga aty aminao izahay, tompoko, hoy aho te-hanamarina, fa nahare fa hoe nilatsaka ho depioté hono, ianao?
-- Eny, hoy izy, (...)
-- (...) Moa ve afaka hitaky ny Fahaleovantenan'i Madagasikara ianao?
-- Tsy azoko hatao izany, fa aleo mandeha moramora ihany toy ny an'i Indonezia (...).
Rehefa nandinika sy namakafaka izay tokony hatao izahay, dia izao no hevitra tapaka : hiantso olona vitsivisy aloha hahitana izay olona hanaiky hatao SORONA HITENY NY FAHALEOVANTENA, na ho lany na tsy ho lany.(...) Ireto no anaran'ny olona nanaiky hanao Kandida hiteny ny fahaleovantena: Ranaivo Jules, Rajaona Johnson, Jeremie Ernest (Antanosy avy ao Fort-Dauphin)
(...) Hatramin'ny talohan'ny taona 1939 mantsy dia nekena hahazo manao ny raharahan'ny maha-dokotera azy teto Antananarivo Dr Ravoahangy Andrianavalona, (...) Nifanaraka ny hevitra fa handefa iraka any amin'i Dokotera izahay, ka dia RAKOTOVAO Martin no nalefa tany nitondra ny feo toy izao : «Ahoana ny hevitrao, tompoko, fa tonga , hono, ny fotona nandrasana ela, migadona ny ora hahaozana miteny sy mitaky ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara, ho Madagasikara libra(...) Milatsaha ho depiote ianao!» (...) Ny ampitso dia nanaiky izy na ho inona na ho inona vokany, ka dia nandrotsaka ny filatsahany ho depioté ny tenany(...) Ny ampitso manaraka io, dia nodinihina indray izay fomba mety hahitana kandida, ho an'ny ilany andrefana, sahy hitaky ny fahaleovantena. Nifarana indrindra tamin'izay ny fivorian'ny COMMISSION MIXTE teto Antananarivo notarihin’i SIRIEX koa nifanarahan'io komity io fa hantsoina ireo solontenan'ny Tanindrana andrefan'iny mba hiara-midinika ny amin'izany. Tao amin'ny Hotely Smokey Joes no natao ny fivoriana. Tonga tao ny Prince Kamamy avy any Morondava sy ny namany efa-dahy. Tonga tao koa ny solontenan'i Boina notarihin’I TOTO VANTANA Honoré, mpiasan'ny Comptoir (Nosibe). Philibert TSIRANANA, mpampianatra; RALAIVOAVY Paul, mpampianatra sy ny namany. Dia naseho an-dry zareo ny tarigetra : Hiteny sy hitaky ny FAHALEOVANTENA ho Repoblika Malagasy iray tsy mivaky.
«Omeo izay olona hatolotrareo tandrefana ho Depiote, hoy izahay, hitaky ny fahaleovantena hiarahana manohana fa tonga ny fotoana.
-- Izaho, hoy ny Prince Kamamy, dia efa sady zokiolona no tsy dia salama loatra, ka dia ao ry zareo.
-- Ahoana ianao ry ingahy TOTO VANTANA Honoré?
-- Izaho koa tsy hanao! hoy ny navaliny.
-- Tsy hanao marina ve ianao, hoy RANDRIAMBOLOLONA?
-- Tsy hanao marina aho! hoy TOTO VANTANA.
-- Anefa, hoy Randriambololona, ity efa misy PROSPECTUS miely any avaratra-andrefana manao hoe: FIDIO TOTO VANTANA Honoré!
-- Tsy izaho no nanao an'io, hoy izy, fa ry Mompera!
-- Ka iza izany no hatolotrareo?
-- Io eo i TSIRANANA Philibert, hoy izy!
Mbola tadidiko tsara ato an-tsaiko hatramin'izao ny sarin'Atoa TSIRANANA tamin'izay: mijoro somary miankina amin'ny rindrina atsimo mitodika mianavaratra izy, zazalahy marotsadrotsaka izay sady somary mintsimontsinona . Hoy izy: «Mazava dia mazava izany teny izany ary iza no tsy faly raha ny fahaleovantena no tadiavina sy hotakiana! Izahay Tanindrana no tena mitady ny Fahaleovantena, fa efa ampy anareo izao azonareo eto afovon-tany izao. Ary iza no resin'ny Frantsay fa tsy ianareo! Eny, kanefa mbola tsy tonga ny fotoana, ka tsy afaka ny hanao aho, fa io eo RALAIVOAVY»
Dia namaly Ralaivoavy Paul:
-- Raha tsofinareo rano aho dia vonona hanolo-tena ho kandida hiteny ny fahaleovantena! Dia vita ny dinika fa RALAIVOAVY no ho kandidà depiote hifarimbonana hotohanana. Anisan'ny nanaiky izany Atoa TOTO VANTANA Honoré (...) Voarotsaka ara-dalàna ny kandidan-dRalaivoavy. Lasa tany Mojanga izy, kanjo nanao kandida ihany i TOTO VANTANA Honoré hifaninana taminy. Nandefa telegrama taty amin'ny komity 4bis, lalàna Galliéni Ralaivoavy: TOTO VANTANA Honoré KANDIDA IHANY INDRAY INONA NO HATAOKO?» Izao no valin'io telegrama io : «MAINTENIR VOTRE CANDIDATURE» (...) Noho izany, rehefa nahare ny Komity dia nivory faingana ny Alakamisy. Rehefa nandeha teo ny resaka sy ny adi-hevitra dia tsaroana, fa ao Toleara Dr RASETA.(...). Nifanarahana fa izy no hotohanana, ka talohan'ny maty masoandro no nalefa ny telegrama manontany sy miantso azy manao hoe: «Ekenao kandida depioté. Fahaleovantena no tarigetra. Apetraho kandidanareo. Miakara!» Ny ampitso Zoma tamin'ny 11 ora alina dia ity tonga tokoa RASETA sy ny zanany lahy atao hoe Armand, efa tsy fantatra intsony noho ny vovoka fa nanao « lava alina » hatrany Tolera izy mianaka. Ny ampitso Asabotsy dia nifarana ny fandraisana ny anaran'ny Kandida(...)