lun.
28
mars
2011
Tena nahalasa fisainana ny mpanara-baovao ihany ny resaka manodidina ny fampodiana ireo « vehivavy » niasa tany Liban novoizina fatratra teto amintsika , telo andro lasa izay. Maro tamin’ireo tonga nanofana fiaramanidina manokana no nilaza fa « mbola te-hiverina any Liban satria tsara karakaran’ny mpampiasa azy ». Tsy iverenantsika ireo antony goavana tena nahamaika ny tokony hampodiana ireo vehivavy malagasy niasa tany noho ny fampijaliana niaretan’izy ireo tamin’ny asa nifanarahana noheverina fa « hahasoa » teny am-piaingana, fa milaza zavatra betsaka ny zava-niseho teny Ivato tamin’ny fahatongavan’ireo notsenaina ara-panjakana ny alarobia lasa teo...
Re nandritra ny resadresaka teny Ivato fa tsy ireo tena tokony hody no notsenaina sy niantohan’ny fanjakana malagasy ny fampodiana azy, fa ireo mpiasa nahatapitra ny fe-potoana « contrat » tokony niasany tany Liban. Tsy niharan’ny fampijaliana, fa mbola ta-hanavao ny fifanarahana tamin’ny mpampiasa azy indray aoriana. Tsy toy ireo niharam-boina tany (na maty na very saina nanahirana ny fianakaviany) ny endriky ny ankamaroan’ireo notsenaina fa vehivavy miramirana tonga an-tanindrazana avy nandranto. Dia manontany tena ireo tena maharaka ny zava-nisy marina nianjady tamn’ireo tena nitaraina hoe « f’angaha tsy ireo tena tokony hampodiana an-tanindrazana no tonga notsenaina tamim-pomba ofisialy teny Ivato io afak’omaly io ? Fa nisy inona nihodinkodina tany ambadimbadika tany no ireo tsy tokony hody no nampodiana ? Nankaiza ny volabe manodidina ny 20 tapitrisa ariary isan’olona tokony hampodiana ireo tena mila izany hody an-tanindrazana ? Misy antony politika maizina tiana hahatongavana ve tamin’ny fisehoana hikarakara ireo olona nanofana fiaramanidina manokana hampody ny tsy tokony hody tamin’iny fotoana iny ?» Re mantsy fa ireo tena tokony hody dia mbola hadino any Liban, fa ireo « mahitahita » sady mbola mihevitra ny hamerin-desona ireny tonga ireny ? Misy tsikombakomba ratsy hiarovana tombon-tsoa manokan’ny mpitondra ankehitriny sy ireo izay nandefa ireny vehivavy nila ravin’ahitra, kanefa mijaly any Liban tsy anisan’ireo tafody an-tanindrazana ve no nahatonga ireo tena nandrasana higadona teny Ivato ? Ho an’izay mahalala ny fomba fiady tao anatin’ny roa taona naha-krizy an’i Madagasikara, dia « zara aza misy an’ireny isehosehoana fa veloma lava any izay tsy miray kopaka isasana amin’ny toe-draharaha toy itony. Fomban-javatra ihany izany ho an’ireo mihevitra ny tsy ho tratry ny alok’akoho !
fa azamadainga fa nizaly nareo tany io no mahavoa ny malagasy ny menatra de manafy na ny olana nahazo tany liban nizali nareo tany fa sady tsy andafy anie ny any toy ny merina aty france miclande de manafina milaza fa miadana ireo mirina reo no matikabo tay
ireo merina ireo no matikambo toy i andry nadia tsy resiny firenena rehetra de miteny hoe presinda ny malagasy taiza tsy nisy gasy nifidy azy
Ianao io angamba "schizophrène" mipetraka ao Seine-Saint-Denis
