lun.

28

mars

2011

Governemanta: Nahazo vahana ny « Ratsirakista »

Tsy nisy afa-tsy minisitra miisa efatra sisa, tamin’ireo nateraky ny lalana sy ny kianja, no tafajanona ao amin’ny governemanta Vital : ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine, ny minisitry ny mponina Ramaroson Nadine, ny minisitry ny fanajariana ny tany Andrianainarivelo Hajo, ary ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia avo lenta Andriamanjato Ny Hasina. Raha izany no jerena maimaika dia ireo izany no akanga sisa nanamboana tamin’ireo « minisitry ny arabe » tamin’ny taona 2009. Namoronana « zava-baovao, tena hafa tsotra izao » kosa ny mpitolona tao anaty fefy nandritra ny roa taona ka sady lasa minisim-panjakana, no sady hisahana mivantana ny fifandraisan’ny samy andri-pitondran’ny tetezamita ny depiote taloha Rakotoarisoa Yves Aimé… Inona no hateraky ny fanendrena ireto mpikambana vaovao ireto ?...

Hitondra hery vaovao ve ?

Miverina ao an-tsaina ny filazan’ny filoha taloha Ratsiraka mikasika indrindra ny fanambaràna nataony nandritra ireny fotoana nivaivay ireny fa « olony » daholo no nanatevina ny fihetsiketsehana nandritra ny taona 2009, ary mpomba azy ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy teny Ambohitsorohitra nandritra ny fihanihana ny lapa tamin’ny 7 febroary tamin’iny taona iny ihany. Ankehitriny dia miaka-dapa ireto zaza navelan’ny mpitarika ny revolisiona sosialista malagasy ireto, ka tonga nanatevina ny tetezamitan’ny revolision’ny volon-daoranjy. Iza no tsy mahalala fa ratsirakista hatramin’ny praiminisitra Vital ? Vao notendrena tamin’izany toerana izany ny tenany, tamin’ny desambra 2009, dia aoka tsy adinoina fa ny amiraly Ratsiraka no nantsoiny sy nangatahany tso-drano. Marina fa (toa) tsy nahazo io tso-drano io ny tenany saingy tsy nampiova na inona na inona izany. Fa ankoatra  ny lehiben’ny governemanta dia sesehena ny ratsirakista ao anaty fitondrana ankehitriny : Rajaonarivelo Pierrot, Ndremanjary Jean André, Razafitombo Lizah, Rabesa Zafera Antoine, Ramanantsoa Ramarcel Benjamina, Ratsiraka Elysé, Ratovomalala Mamy… Tsara ny manamarika fa tsy voatery ho Arema, na nisintaka tamin’ny Arema, na koa ho ankolafy Ratsiraka, no tondroina  ho ratsirakista fa ireo rehetra mpanao politka mandala ny fomba fisaina sy fihevitra namolavolan-dRatsiraka azy. Koa hitondra hery vaovao ho an’ity governemanta ity ve ny « fandraisan’andraikitra » ataon’ireto « olom-baovao » efa tonta ireto ? Mamaly tokoa ny maha-governemanta mpikarakara fifidianana azy tokoa ?

TIM fa tsy Ravalomananista

Maromaro ihany koa ny TIM ara-taratasy sy ara-tantara no mandrafitra ny governemanta vaovao. Misongadina amin’ireny ilay mpitarika vaovao Rakotoarisoa Yves Aimé, ny mpandimby ny sekretera jeneraly taloha sady vady navelany rahateo Sylla Yvette, ny sekretera jeneraly (tena tanora) Rakotovao Vyvato, ny depiote taloha voafidy tao Vohémar Raharisaina Hery, ary ny ambasadaoro taloha Rafatrolaza Bary. Samy mpanao politika tao anatin’ny TIM tamin’ny fotoan’andro daholo ireny saingy tsy nanaiky hiray donak’afo intsony amin’ilay mpamorona azy. Manahirana azy rehetra ireo ny hitonona fa nanara-dia ny hevitry ny filoha taloha Ravalomanana izy ireo. Koa anisan’ny hanome endrika tokoa ny fiaraha-mitantana ve ny antom-pisian’izy ieo ? Sa ho haingony fotsiny toy ny teo aloha hatrany ?

Zanaka an-trano

Tsy hoadinoina ny fisian’ireo zanaky ny fahefana avo hatrizay niatombohany, ary anisan’ireo voatendry hitantana ny minisitera ihany koa ny mpanao gazety an-taonany maro Rahajason Harry, ny filohan’ilay vaomiera namolavola ny lalàm-panorenan’ny Repoblika IV Rakotoarisoa Florent, ny CST taloha Reboza Julien, ny Akaiky ny Vahoaka Indrindra Rabenirina Jean Jacques, ary ny mpitantam-bola Rajaoherimampianina Hery. Misy koa ny efa zatra tetezamita (taloha) toy ny Farimbona ho an’i Madagasikara Rasamoelina Henri.

Koa hahavaha ny olan’i Madagasikara tokoa ve ireto olona marobe izay « vaovao  efa niasa » ireto ? Eo isika mahita ny ho fizotrany fa ny Arema ihany tokoa no lasa Hery velona, avy eo ny TIM dia miakanjo sy mitaingina TGV.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    venjo (mardi, 29 mars 2011 18:05)

    fa haninona daholo ireo hoe minisitra nareo reo tsy mitsinjo ny gasy mahitsy ty andry fa manampotika ny malagasy famanino na izy no mamorona minisitra anampotika ny malagasy izao ny gasy atramini nanaovany andry cout deta de mihinana ny tsy fihinana avy @ hoe minisitra nefa tsy arandalana fa de mameno paosy

  • #2

    Moustaffa Louis Abdu (mercredi, 30 mars 2011 02:18)

    Ny zavatra tena mahagaga @ politika Malagasy dia samy manao "valifaty politika" daholo. Esory, esory ranona... Tsy hamaha na inona na inona io. Ny zavatra hita sy tsapa na re dia fialonana, fanalam-baraka, maninona moa raha atambatra ny hery ny olona efa 100 ans any alohan-tsika any isika mbola mitarozaroza @ adim-poko, ady seza,sns..sns... Ampandrosoy ny fizahan-tany satria io no azo anarenana ny firenena sady mino aho fa ananantika hery goavana indrindra. Tsy manana "creativite" ve ny Gasy e! Tsy mino an'izany aho, ny Malagasy dia olona manan-tsaina sy mahay tokoa ary izahay dia tsy hanaiky intsony fa ohatry ny "vendrana" hovendranin'olona tsy mahay n'inon'inona. Tsy hanaiky intsony izahay fa hihetsika raha mbola mitohy foana ny tahaka izao. Leo, tofoka, boboka lalaovin'ireo olona vendrana ireo ny manam-pahaizana tahaka anay. Lany andro niananatra mafy nefa ny firenenay robaina. Tsy hanaiky izany intsony zahay zanaka Malagasy. Izany no nianaranay, hampandroso ny taninay. Ampy izay aza lalaovina instony ny fianan'ny zanaka aman-jafy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra