sam.
26
mars
2011
Anisan’ireo zavatra sarotra eo amin’ny fiainan-draolombelona ny mampifandrindra ny asany amin’ny fiainam-panambadiany. Indraindray dia vidiana lafo mihitsy io ary misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-pitiavana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Care.com tamina fianakaviana amerikana miisa 600 ary dia hita fa vizana tsy manao firaisana ara-nofo araka ny tokony ho izy intsony ny 60%-n’ny mpivady. Soren-dava sy kizitina, na tratry ny rarin-tsaina kokoa ireo mpivady mbola kely anaka, izany hoe ireo manan-janaka tsy mbola mandeha any an-tsekoly. Mbola manahirana kokoa ny fikarakarana ny ankizy amin’io fotoana io....
Voalazan’io fanadihadiana io ihany fa vonona hiala amin’ny asany avokoa ny 25%-n’ny ray aman-dreny kely anaka, aleony manana asa kely karama nefa ananany fotoana misimisy kokoa hikarakarana ny zanany.Ny renim-pianakaviana manan-janaka mbola kely no tena iharan’izay havizanan-tsaina sy tsy fahampiana fialam-boly izay, nefa mety hitera-bokatra ratsy ho an’ny fiainam-pitiavany, noho izy vizan-dava tsy afaka hanao firaisana ara-nofo loatra intsony. Torohevitra omen’ny manam-pahaizana ho an’ny reny miaina toy izany dia ny fanokanany fotoana hikarakarany ny tenany manokana. Eo ihany koa ny tokony hiarahany miala voly amin’ny namany, na ny manao fanatanjahantena.
Vitsy anefa ireo vehivavy mahavita manao izany. Eo amin’ny fandaminana fotoana mihitsy no itoeran’ny olana ho an’ny ankamaroany. Mila mitandrina ihany araka izany satria mamono ny filana hanao firaisana ara-nofo mihitsy ny rarin-tsaina amin’ny farany. Aleo manokana fotoana hikarakarana vatana ihany raha tsy te hahita fiainana hafa.
tena marina izany ka enga anie ny vehivavy tsirairay mba samy hahay handamina ny programany manjary hanimba ny fitiavana izany!
