sam.
26
mars
2011
Raharaha hafakely no iainan’ny Gasy isaky izay misy fahatsiarovana sy fanamarihana ny tantarany. Efa taona marobe no niverimberina teto ny fanamarihana andro manan-daza isan-karazany fa tsy mba nisy na iray aza tamin’ireny fahatsiarovana ireny no mba nitondra firaisan-kina sy tena nampitambatra antsika mianakavy. Aleo tsy hiverenana mihitsy ny am-polo taonany lasa fa ny tato anatin’ny roa taona farany no tena niharihary loatra ny revin’Ikotosolelaka. Tao anatin’izay roa taona izay dia tsy mbola nisy fankalazana fetim-pirenena malagasy isaky 26 Jona, ka tsy nampifanolana sy mba nifaliana an-halalahana. Tsy nisy fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 mba tena nampitambatra ny Malagasy. Tsy tsaroantsika ve fa nisy ny baomba varimasaka napoakan-dr’Ikotopoaka tany anaty dabapako ? Tsy navelan’ny andiam-bahoaka hanatritra voninkazo am-pilaminana ihany koa r’Ikotompahefana mpitondra, fa voaelingelina hatrany. Tonga dia voasambotra sy niditra am-ponja tokoa ilay Ikotomafanavay niana-kendry nametraka voninkazo nanindry sy nandrava ny an’ireo manam-pahefana. Dia ho tonga indray ity ny 29 martsa 2011, dia indreo r’ikotosolelaka mianakavy fa mbola tsy misy hetsika iombonana fa vao mainka mifanapoaka taim-bava...
Miverina ny tantara e ! Mampizaraza ny Gasy hatrany ny tantarany. Samy miseho ho marina sy mitompo teny fantatra fa tompon’izany tantara izany, ka tsy misy manaiky hilefitra. R’Ikotosolelaka toy izao sy izao dia taranaky ny mpivarotra tanindrazana e ! Ireny mihitsy no mpamadika ny tolona sy ny tantara teto e ! Tsy matahotra sy tsy menatra ny fiaraha-monina mihitsy fa mibodo fanjakana hatramin’izao, sady mpampizaraza no voavidim-bola. Dia nitondra antsika nankaiza tokoa anefa ny fifanamelohana toy izany ? Iza amin’ny mpanao politika Gasy amin’izao no mbola ho sahy hilaza fa tsy manao ny toetan-dr’Ikotosolelaka ? Inona tokoa moa izany no antony nifanondroana molotra sy nifanamelohana tamin’ireny raharaha teto amin’ny firenena ireny ? Mbola politika ihany ve no dikan’ity fahefana fihinina mafy ity, kanefa sady tsy ahitana « fampiraisana » sy « fifampihavanan’ny samy malagasy » ? Politika ve ny seho ivelany mitonona ho tia tanindrazana sy mijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena kanefa tsy sahy manameloka akory (farafaharatsiny), ny tsy fanarahana ny safidim-bahoaka, na koa ny fenitra (farafahakeliny) nifanarahana teto ? Atao inona izay fankamamiana ny firenena raha toerana hifandovan-dr’Ikotosolelaka fotsiny no mibahana ao an-dohan’ny mpanao politika gasy. Resy teo anatrehan’ny hery tsy mitovy tokoa ve ireo nanifika ny fanjanahan-tany teto ? Raha Gasy tia ny tanindrazany marina ve no nifandimby nitondra teto amintsika tao aorian’ireny tolon’ny 47 ireny dia mbola tsy hisy ihany fifanarahana tena iombonan’ny Gasy rehetra hampijoroana ny firenena tena malagasy sy mahaleotena marina ? 64 taona taorian’ny faty nikararàna nataon’ny mpanjakana dia mbola marobe ny taranak’Ikotosolelaka tsy manaiky ny hadisoany fa mbola mifikitra hatrany amin’ny hevi-diso tsy mampandroso hatramin’izao. Inona no mahatonga an’izany ? Satria ny Gasy dia manaiky an-jambany izay hibaikoana azy ! Sanatria toy ny very saina sy lany fanahy !
Raha fitakiana ny fahaleovantenam-pirenena tokoa no namonoan’ny razana teo aloha ny ainy, dia tsy tokony hampizara ny Gasy mihitsy ny tantarany. Fa Gasy toa an’iza no tsy tia sy tsy mila fahaleovantena ? Saingy ampiasain’ny « ratsy saina » mbola te- hahazo tombony manokana ny toetran’Ikotosolelaka. Tsy fikarohana tombony ho an’ny tena manokana no hampiray indray ny Gasy. Izay rehetra tsy mahatsapa an’izany dia mbola hilaozan’ny tantara ihany. Tsy tokony hifanavaka noho ny tantarany ny Gasy raha mibanjina marina ny tombotsoan’ny firenena iraisana. Raha tsy hahavita an’izany fanirian’ny Gasy izany no antony hitohizan’izao revin-dr’Ikotosolelaka izao, dia tsy hisy fitambarana sy tanjona iraisana intsony eto. Tsy misy dikany akory ny revin’Imboasalama hoe : ny ranomasina no valamparihiko ! Tsy misy heviny ihany koa ny revin’Ikotomafanavay nanolotra ny ainy sy ny heriny rehetra nanohitra ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena. Tsy naleo nanompo mpanjanaka hatramin’izao raha hifamotika sy mbola omen-danja ihany ny revin’ikotosolelaka a !
Ony RAMBELO