ven.

25

mars

2011

Krizin’ny Gasy: Miandry ny « ampitson‘ny 31 martsa » daholo

N y f i t s a n g a n a n’ n y governemanta vaovaon’ny praiminisitry ny fahefana tetezamita dia tsy midika velively fa hisosa sy hivaha amin’izay ny olana politika eto Madagasikara. Mbola hijery taratra ny endrik’io governemanta io ny mpitazana rehetra, na ny eto an-toerana na ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Matoa nangina sy ninia nangina ary tsy nanakasitraka na koa nanakiana mivantana ny fanendrena ny praiminisitra nataon-dRajoelina Andry ny sehatra iraisam-pirenena dia misy antony goavana ao. Ny mpiandraiki-draharahan’ny Firaisam-be Eraopeana eto amintsika, raha nandray ny solontenan’ireo ankolafy telo teny amin’ny toerampiasany teny Ankorondrano, dia nanamarika fa tsy midika ho fankatoavana ny fahefampitondrana mijoro eto ny fanatrehan’izy ireo ny fanaovana ny rango-pohy nifanarahan’ny mpanao politika Gasy teny amin’ny CCI Ivato, fa dingana ihany iny fihetsiny iny ho famporisihana ny Gasy handroso bebe kokoa amin’ny vaha-olana maharitra.........

Samy miandry Mbola mikatroka mafy ho amin’ny famolavolana ny sori-dalana vaovao hatolotra ny mpanapan-kevitra eo anivon’ny SADC ankehitriny ny filoha taloha Mozambikana sady lehiben’ny fanelanelanana Chissano Joaquim, sy ny filoha Afrikana tatsimo Zuma Jacob. Ity volavolan-tsoridalana vaovao ity dia hatolotra hodinihin’izy rehetra ireo (troïka) mandritra ny fivoriana an-tampony hatao any Zambia, amin’ny 31 martsa 2011 izao. Eo ankilan’izay dia tsy nandrenesam-peo intsony ny solontenan’ny mpanelanelana Simao Leonardo raha hiaro ny sori-dalana novolavolainy ihany amin’io fotoana io na tsia. Dia samy miandry daholo izany ny rehetra ary mitodika any amin’io fivoriana an-tampony io, ary na dia ny ho fijoroan’ny governemantan’ny Jeneraly Vital Camillle aza dia mbola azo heverina fa hihemo-dava sy hiandry io fotoana io. Iza moa no mahalala raha mbola hisy dinika hafa indray ? Amin’izay dia tsy maintsy hiverenana (indray) ny fomba nanendrena ity praiminisitra nohavaozina ity. Mbola lavitra ve izany ny lalana ? Anontanio ny mpitarika e !

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Moustaffa Louis Abdu (mercredi, 30 mars 2011 02:27)

    Izaho aloha dia mbola manan-kevitra hoe ny afaka manarina, mampandry fahalemana ny tanindrazana Malagasy dia isika mianakavy ihany fa tsy ny SADC na iza na iza, isika ihany... Aza manantena olona na firenena hafa fa ny ambom-po ihany no ampandeferina de handeha ny raharaha ary handry fahalemana ny tany, hiasa mafy ny vahoaka, tsy hanodinkodim-bola ny manam-pahefana ary handray andraikitra izay tandrify azy daholo isika tsirairay. Izaho aloha dia malahelo ihany raha isika indray no handeha handrava ny tanintsika, ny "cyclone" efa manao ny ataony nefa isika indray manampy trotraka.
    Izaho aloha dia mbola manana fanantenana fa ny Malagasy dia olona manantsaina ary ny firenena mbola hanana ny anjaramasoandrony hamirapiratra eto amin'izao tontolo izao e! Amin'ny lafiny rehetra.
    Samia hotahian'Andriamanitra!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra