jeu.
24
mars
2011
Takalom-patsa vidim-pihinanana ! Tsy misy miala maina eo, fa matoa notaomina hanao sonia dia tokony hahazo seza. Nilaharana ny nanatitra CV teny Mahazoarivo, ary efa mandinika izay mendrika hono ny ao Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo ao amin’izao fotoana. Mahamanetra ny fihazakazahana manatitra ireny CV ireny, satria tsapa fa noana seza ny mpanao politika gasy. Ny mbola manaitra ihany, dia ny hoe mbola hisafidy izay mahamety azy ny eo anivon’ireo andrim-panjakana roa ireo ny amin’izay ho ministra ho tendreny eo ? Midika izany, fa mety ho voahilika indray izany ireo olona natolotry ny antoko nanao ilay rango-pohy, raha tsy mifanentana amin’ny eritreritry ny avy ao Ambohitsirohitra sy Mahazoarivo. Izany tokoa ve no atao hoe Governemantan’ny marimaritra iraisana ? Sa hisafidianana ilay olona mety hanome endrika marimaritra iraisana eo anoloan’ny sehatra iraisam-pirenena no atao, fa tsy izay olona heverina fa hahavita ny asa nankinina taminy ? Ny tsapa, dia hifandrombahana ny ho lasa ministra, satria be ireo seza miraviravy. Aiza intsony tokoa no hisy toy izao, fa izay hihinanana aloha izao no maika e ? Pilo kely