jeu.

24

mars

2011

Lozotra am-pitoerana

Jereo aloha ny filazan’ny rakibolana nosoratan-dRajemisa Raolison momba ity teny hoe : « lozotra » ity : Enti-milaza zavatra ratsy nahandro, tsy tsara masaka kanefa tsy azo averina andrahoina intsony. Io no hamaritany ny teny. Fa inona marina moa no nahatonga ny firenena ho lozotra am-pitoerana toy izao ? Satria peta-toko ny hetsika nanentanana ny andiam-bahoaka ho fanilihana ny jadona sy ny ampihimamba nisy nandritra ny taona fito nifanesy. Sady tsy afaka ilay jadona, no mbola tsy misy ny fanalalahana mifanohitra amin’ilay hoe: ampihimamba mba niainana hatramin’izao. Ketrehina im-polo kely ny fanamasahana izay ho lalan-ko diavina fa zary mivoaka maraina sy tsy lasan-davitra toy ny akoho isika mianakavy. Firosoana amin’ny fifidianana indray ankehitriny no hevitra atao be am-bavava tato ho ato. Kanefa na ny fomba hanatontosana azy aza dia mbola tefy maika sy peta-toko toy ny teo aloha ihany ? Tsy maintsy hajoro ihany koa ny governemanta hitantana io fifidianana io ato ho ato na dia tsapa aza ety am-pikenokenonana azy fa « hanara-davahana » ny teo aloha ihany. Manonofy atoandro izay hanana fanantenana fa « tono vomanga vory vahoaka » ve hahitàna sakafo masaka sy hahasalama e ? Koropa-dava tsy misy farany kanefa mionona amin’ny tefy maika fotsiny ny mpanao politika Gasy............

Fa fitondrana (sa fanjakana ?) manao ahoana marina moa no nifanarahan’ny mpandrodana izay efa nisy teto fa hajoro? Efa nivolana an’izany ve ny mpitari-tolona sy ny mpomba azy? Iza no namporisika azy ireo hitaitai-homa-menaka amin-javatra tsy hita fototra? Inona no dikan’ilay fanovàna? Ventesina hatrany fa Repoblika vaovao faha-efatra no tanjon’ny tolona nataontsika teto, ary hofafàna sy tsy hiverenana intsony ny toetra mamohehatra nataon’ny mpitondra taloha sy ny repoblika telo samy hafa talohan’izao. Fa manontany tena ny sarambaben’ny olona amin’izao fotoana : Efa mba misy soritra ve fa tsy manao ny toetran’ny PSD na koa ny Arema sy ny UNDD, na ny TIM ny antoko TGV sy ny mpomba ny fitondrana ankehitriny ? Antoko manao ahoana loatra ireo manolo-tena sy midodododo mankeny Mahazoarivo mba hirotsaka ao anaty fitondrana ireo ? Tena hitady marina ny fampandehanan-draharaha sy ny hanatontosana marina ny fifidianana ve ? Fa fifandirana momba ny inona sy mnao ahoana tokoa moa no nahatonga ny krizy gasy miverimberina toy izao hatrany ? Tsy misy valiny daholo ny faontaniana rehetra raha mbola ny fomba « maika tsy faingana » no himasoantsika. Tsy rehefa lazaina sy resahana fa ao anaty repoblika vaovao isika dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa miroso amin’ny fifidianana isika dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa ho tafajoro ny governemanta nohavaozina dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa manaiky ny sori-dalan’i Dr Simao ny OIF na ny vondrom-ben’ny tany miteny Frantsay dia mivaha ny Krizy ! Tsy rehefa tavela any Afrika tsimo ny Filoha taloha Ravalomanana, na mbola any Frantsa ny Filoha taloha Ratsiraka dia mivahany krizy ! Tsy rehefa hanangana governemanta hafa ireo tsy makasitraka ny ravin-taratasin’ny SADC dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa tazonina amponja sy enjehina eny amin’ny fitsarana ny tsy mitovy hevitra dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa 900Ar no vidin’ny vary mora dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa feran’ny fanjakana ny vidin’ny solika dia mivaha ny krizy ! Tsy rehefa hamoronana « dossiers » ny mpampahalala vaovao dia mivaha ny krizy tohizo azafady ! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra