jeu.
24
mars
2011
Ho raikitra indray ny sakoroka ! Efa tsy misy mpitondra intsony eto, ka afaka manangana ny governemantany ihany koa ny ankolafy telo miara-dalana amin’ny mpanohitra. Heno izany nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’izy ireo ny talata lasa teo tetsy amin’ny Magro Behoririka. Mbola vava nivoak a tamin’ i reto mpanohi t r a ireto ihany no nandrenesana, fa ho avy eto alohan’ny 31 martsa izao i Ratsiraka s y Ravalomanana, i zay hanao ny fifampidinihana amin’ireo ankolafy hafa eto Madagasikara ? Io datin’ny faran’ny volana io ihany koa anefa no hanaovana ny fandinihana ny raharaha Madagasikara any Pretoria. Ny governemanta Camille Vital, dia hijoro tsy ho ela, ary hametraka ireo fifanarahana vita sonia nokarakarain’i Simao andro maro lasa izay. Midika ireo, fa hafana indray ny resaka politika eto amintsika. Ny antony, dia efa vonona hametraka fanjakana hafa ivelan’ny FAT ny ankolafy telo. Tsy hihemotra intsony izy ireo, raha ny feo nanidina teny ho eny, satria efa tany tsy misy mpitondra intsony angaha eto ? Raha izay no mitranga, dia mifantoka avy hatrany amin’ilay fomba fiteny manao hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Ny antony, dia tsaroan’ny maro tsara ny nanangana ilay governemantam- pikomiana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny datin’ny 7 febroary 2009, ka nametrahana an’i Monja Roindefo ho PM tamin’izany. Taorian’io, dia notarihana niakatra teny Ambohitsorohitra ny vahoaka, ary ireny faty olona maro be ireny ny niafarany. Dia sanatria ve ka ho toy izany koa no hitranga amin’ity fikasana hanangana Governemanta kasain’ny ankolafy telo hatao ity ? Ny tsy azo lavina, dia ny tsy maintsy hampihetsehana ireo tafika indray amin’ny fisamborana olona. Efa mahazatra io, ary lasa fanaovana ramatahora eto amintsika ny fibaikoana ny be baoty. Dia ho hita eto, fa ny azo antoka, dia mbola tsy hilamina vetivety ny tanàna, satria ny sonia natao hampilamina ity, no toa nampisavorovo indray. Vainafo zanany