jeu.

24

mars

2011

Fanadihadiana eran-tany: Aiza no tena be filahiana ?

Iza no manana filahiana lehibe indrindra ? Efa ela no nipetraka izany fanontaniana izany. Afaka tarafina kosa ankehitriny ny fanadihadiana momba izany, amin’ny alalan’ny fijerena ny sarintanin’izao tontolo izao. Ry zareo ao amin’ny ivontoerana Target Map indray no namoaka izany voka-pikarohana izany, izay nohavaozina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Hita ary fa ny Congolais no tena ikoizana indrindra amin’ireo fananana filahiana lehibe indrindra io. Eo amin’ny 17,93 sm eo ny refin’ny filahian’ny lehilahy any amin’ny ank apobeny. Manarak a azy akaiky ao ihany koa ny Equatoriens. Mirefy 17,7 sm kosa ny an-dry zareo ireto. Any amin’ny laharana fahatelo no misy ny Ghanéens miaraka amin’ny refina filahiana 17,31 sm. Mahakasika an-dry zareo Eoropeanina indray dia voalaza fa ry zareo Frantsay sy Belges no tompon-daka, tafakatra any amin’ny 14,88 sm ka hatramin’ny 16,10 sm any ho any. Any amin’ny laharana faramparany any kosa no misy ny firenena aziatika, izay tsy manana refy afa-tsy 9,66 sm ka hatramin’ny 11,67 sm.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra