mer.

23

mars

2011

Repoblika fahefatra: Mbola misy ve ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ?

I n o n a m a r i n a n o lazain’ilay lalàm-panorenana nananganana ny Repoblika fahaefatra? Andininy faha- 164 : Izao lalàmpanorenana izao dia holaniana amin’ny alalan’ny f i tsapan-kevi - bahoaka. Ampiharina izany raha vantany vao havoakan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hanankery, ao anatin’ny folo andro manaraka ny fanambarana farany ny vokatry ny fitsapan- kevi-bahoaka ataon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Andininy 165 tapany farany : Ny rijantenin- dalàna mikasika ireo andrim-pitondrana sy ireo rantsa-mangaika ary koa ny lalàna hafa fampiharana voalazan’ity lalàmpanorenana ity dia ho raisina amin’ny alalan’ny hitsivolana. Andininy faha-166 : Mandrapaha-tongan’ny fotoana andraisan’ny Filohan’ny Repoblika vaovao ny fahefany dia manohy misahana ny asan’ny filoham-panjakana ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Raha misy fahabangan- toeran’ny filoha, na noho ny antony inona na noho ny antony inona, ny asan’ny filoham-panjakana dia iarahan’ny praiminisitra, filohan’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita ary ny filohan’ny kongresy misahana..........

Ireo no fepetra voalazan’ny lalàmpanorenana izay nolazain’ny filoha avon’ny tetezamita fa manankery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny 11 desambra 2010. Tsy voazava ao kosa ny halavan’io fahefana avon’ny tetezamita io, ary tsy mbola misy na iray aza ny didy hitsivolana mifanaraka amin’ireo andrim-pitondrana sy rantsamangaika voatondron’io andininy faha165 io. Ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no mi tondr a mank any amin’ny tena Repoblika fahefatra, araka ny voatondron’ny lalàmpanorenana.

Niorina teny an-kianja Nanomboka tamin’ny 31 janoary 2009 misandratr ’andro, teo amin’ny Ki anj an’ny 13 mey, no nambara ampahibemaso fa teraka ny Fahefana avon’ny Tetezamita tarihin’ny filohany Rajoelina Andry. Io fahefana an-dalambe io no nohamarinin’ny HCC tamin’ny alalan’ny « ravin-taratasy » laharana 79- HCC/G nosoniavin’izy ireo ny 18 Martsa 2009. Nambarany tamin’izany fa maharitra 24 ny atao hoe : Fahefana Avon’ny Tetezamita. Ilaina ve ny hilazan’ny HCC, roa taona aty aoriana, fa tapitra tokoa io 24 volana nolazainy io ? Tsia ! Satria ny HCC dia efa nilaza ampahibemaso fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny Repoblika fahefatra isika tamin’ny alalan’ny filazany tamin’ny fomba manetriketrika fa lany soa aman-tsara ny lalàmpanorenana. Ilay tetezamita hiampitan’ny f i renena malagasy any amin’io Repoblika fahefatra io dia tarihin’ny filohan’ny fahefana Avon’ny tetezamita izay manao ny asan’ny maha-filoham-panjakana azy… Saingy efa nilaza ve ny HCC fa mbola misy io olona filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita io ? Ary mbola mijoro araky ny lalàmpanorenana tokoa ve ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ? Mbola misy sy azo heverina ho misy daholo ireo raha tena ampiharina amin’ny tokony ho izy ilay lalàmpanorenana. Fa ny olana sy ny mampisafotofoto ny raharaha dia ny fisian’ilay ravin-taratasy natao sonia rango-pohy. Voalaza ao amin’ny andininy faha-telo amin’ity f(if )anekena ity fa : Rajoelina Andry no filohan’ny Tetezamita, ary manao ny asan’ny filoham-panjakana. Koa efa neken’ny HCC (izay tsy voatonona ao akory) ve ny ho fampiharana ity ravin-taratasy ity ? Efa nekeny ve ny mahafilohan’ny tetezamita andRajoelina Andry ? Nahoana no nambara fa araka ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra no nandravana ny governemantan’ny tetezamita avo sy nanendrena indray ny praiminisitra Vital ho praiminisitry ny tetezamitan’ny marimaritra iraisana ?

Mifangaro voraka Ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra dia tsy manome alalana, na iza na iza, hanao f(if )anarahana na koa f(if )anekena ivelan’io lalàmpanorenana io. Ilay « ravintaratasy » nosoniavina rangopohy teny Ivato dia milaza fa lasa filohan’ny Tetezamita Rajoelina Andry, ary tsy misy ifandraisany amin’ny lalàmpanorenana izay voasoratra ao. Noho ireo antony ireo dia tsy ho afaka hifameno velively ny Repoblika fahefatra izay mifototra amin’ny lalàmpanorenana (manondro ny fotoana tetezamita tarihin’ny fahefana avon’ny tetezamita), sy ny ravin-taratasy nifanekena amin’ny sehatra iraisam-pirenena (izay manondro ny filohan’ny tetezamita ho filohampanjakana). Raha hitsangana ato ho ato ny governemanta voatondron’io ravin-taratasy io dia tsy tokony hotondroina ho mi fanarak a amin’ny lalàmpanorenana velively, ary tsy tokony ho soniavin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita ihany koa satria ny fampifangaroana ireo fototra roa ireo no vao mainka tsy haha-araky ny lalàna (na ny fifanarahana) izay rehetra atao. Tokony hisafidy Rajoelina Andry raha te-ho filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita miampita tanteraka any amin’ny Repoblika fahefatra, na ho filohan’ny Tetezamita araka ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny sehatra iraisam-pirenena.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra