mer.
23
mars
2011
« Aza tezitra mialoha ny hitsiny fa manjary tsy hisy toerana hametrahana ny rariny ». Efa mba tao an-dohan’iny olona iny ve izany tenin-drazanantsika izany ? Inona ity mampitratrevatreava an’iny olona iny amin-javatra tsy dia « mankaiza » akory ? Ny «vazahabe » no miahiahy amin’ny fombafomba nataon’ny mpitondra (amin’ny ankapobeny) tamin’ny fombafomba nanenjehana sy nisamborana mpanao politika iray, koa iny olona iny no tai-baombina sy avo firesaka avy hatrany fa tsy tokony hitsabaka amin’ny raharahan- tokan-tranon’ny Gasy ny vazahabe. Fa mandeha amin’ny hitsiny ve ny resaky ny vazahabe sa tena miditra amin’ny tsy tokony hidirana ? Ka izany tokoa ve no nampihetsika ny hambo-pon’iny olona iny ? Mifangaro hatrany ny fomba fandraisan-javatra eo amin’izao fahefana mitondra an’i Madagasikara izao ka vao mainka manasaro-javatra ny fanambarana mifamoivoy eo amin’ny sehatra ifandraisantsika amin’ireo firenena any ivelany. Tsy ny maha-vazahabe ny mpaneho hevitra tsy akory no haha-marina na koa hahadiso ny ahiahiny amin-javatra mety hanohitohina ny filaminana eto amintsika. Fa inona moa no zava-doza mety hateraky ny fifanenjehana ara-politika eto amintsika amin’izao ?
Tena mihevitra ny tenany ho mitondra marina ny raharahambahinin’ny « fanjakana » malagasy ve iny olona iny ? Raha izany no andraikiny dia efa ela ela izy no tokony hanameloka ny fanjakazakana sy ny fidongian-dry vazahabe ny tanintsika ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika ao ? Sa tsy fantatr’iny olona iny fa misy vazahabe mibodo ny tanin’i Madagasikara ao ? Inona marina moa no ataon’iny olona iny mahakasika an’izany ? Efa nisy fanambarana manetriketrika sy tena am-pahasahiana ve nanakiana na nandroaka avy hatrany izany tetiky ny vazahabe izany ? Ankehitriny dia ady politika goavana no miseho eto amin’ny firenentsika koa mba efa niserana ny eritreritr’’iny olona iny koa ve fa mitalaho ary mandady tanteraka amin’ny firenena any ivelany any ny fitondrana izay misy azy ? Ny fahefana rehetra sy ny pitsopitsony amin’ny ankapobeny tsy nampijabaka ny firenena tao anatin’izao adilahy politika izao anie dia teo ampelatanan’iny olona iny tamin’ny roa taona lasa izay e ! Fa inona moa izany no fiantso ny fihetsik’iny olona iny nanipitsipy fahatany ny fahefana nomena azy ? Inona no antony mampisafoaka azy amin’ny vazahabe ankehitriny raha toa nandeha tamin’ny fomba mangaraharaha daholo ny fihetsik’izao fitondrana tohanan’iny olona iny izao ? Tsy vao voalohany anie ny sehatra iraisam-pirenena no nivazavaza fa mandeha any ivelan’ny ara-dalàna sy ny fenitra manaraka ny lalampanorenana ny lalan-kizoran’iny olona iny sy ny fitondrana misy azy e ! Tsy efa nolazain-dry vazahabe fa « milisy » ny hery mpanejika mpanao politika eto ? Tsy efa nanmbarany fa tsy manaja ny zon’olombelona ny fombafomba nananjehana sy nitazonana ireo mpanao politika ireo, ary tsy vao izao fa efa ela ? Ka sao mba tsy hisy hametrahana intsony ny rariny intsony tokoa, ho an’ny rehetra, ny fihetsik’iny olona iny ? Sao mba tokony hanova ny fijeriny ny fitondrana misy an’iny olona iny, raha tena te-hifandray sy hifanerasera marina amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy tsapan’iny olona iny ve fa tsy azo afangaro ny fiandrianam-pirenena sy ny fifandraisana ara-diplaomatika. Dadan’i Ranto