mar.
22
mars
2011
Matetika ny ankamaroan’ny lehilahy dia lasa saina sy manahy momba ny habe na hakelin’ny filahiany. Tsy tokony hipetraka anefa izay, satria maro ireo karazana « positions » azo atao, arakaraka ny haben’ny filahiana. Tsara aloha raha tsiahivina fa mirefy 8 sm eo ny fivaviana amin’ny ankapobeny. Any amin’ny 4 sm avy eo amin’ny varavarana no misy ny « point G ». Ny tanjona ho an’ny lehilahy dia ny mahay manome lanja izay taovam-pananahany izay fa tsy voatery hoe hijery ny hakeliny na ny halehibeny.
Ho an’ny tsy ampy refy Ny lehilahy manana filahiana 8 ka hatramin’ny 13 sm eo am-pihenjanana no tiana ambara eto. Ireo karazana “positions” mampifampikasoka ny vatana roa no tena mety ho an’ny toy izany. Tsy mila mahery setra. Milamindamina fotsiny ihany dia efa ampy hiainana ny fahafinaretana faratampony. Azon’izy ireo andramana ny “face à face”, izany hoe mandry mitsilany ny vehivavy, mandohalika manoloana azy ny lehilahy. Akarin-dramatoa ambony soroky ramose ny tongony, hahalasa lalina ny fiarahana. Mety ihany koa ny “positions à accessoires”, izany hoe rehefa mipetraka fotsiny ny vehivavy, na aiza io na aiza dia mety amin-drangahy. Farany dia misy ny “andromaque”, izany hoe ny vehivavy mitaingina eo ambonin’ny lehilahy, toy ireny ambony soavaly ireny............
Ho an’ny be velarana Ireo lehilahy manana filahiana be savaivo, na ireo bebe filahiana indray no tiana horesahana eto. Tsy misy ifandraisany amin’ny halavany. Manam-bintana hono izy ireny satria tena ankafizin’ny vehivavy. Saingy mila mandany fotoana amin’ny “preliminaries” kosa ny lehilahy toa izany, izany hoe ilay fihetsika manaitaitra rehetra mialoha ny tena fiarahana, hampihitatra tsara ny fivaviana. Tsy dia mifidy “positions” loatra ny lehilahy manana izany toe-batana izany noho ny azy efa lehibe. Rehefa mahazo aina fotsiny, vonona amin’ny fiarahana ny vehivavy dia efa azo andramana avokoa ny “positions” rehetra.
Ho an’ny lavabe Rehefa mihoatra ny desimetatra ny halavany dia efa lava izy izay. Saingy voalaza ho mampatahotra ny vehivavy hono ireny filahiana lavabe ireny, satria mety hiteraka fanaintainana ho azy. Ireo karazana “positions” itodihany lamosina indray no tena mifanentana amin’izany filahiana izany. Ao ny “cuillères” izany hoe samy matory mihorirana ny mpivady. Malalaka tsara ihany koa ny tanana eo manafosafo any amin’ny faritra tiany. Misy koa ny “antilope” izany hoe samy mandohalika indray ny mpivady, mifanao aloha sy aoriana. Tsy miondrika miaraka matory satria lasa “levrette” indray raha izany. Farany ny “lotus” izany hoe ampofoin’ny lehilahy ny vehivavy ary dia ny vehivavy eto no mitondra ny raharaha rehetra. Ireo ny torohevitra azo natolotra mahakasika ny karazana filahiana sy ny “positions” mifanaraka aminy. Tsy hoe ireo no tena filamatra satria miankina amin’ny mpivady tsirairay ihany koa ny fikarohany sy ny fahazoany fahafinaretana.