mar.
22
mars
2011
Andro iraisam-pirenena ho an’ny rano e ! Fa ny antsika dia tsy andro iray ihany fa efa nanakoako izany ary nabotsina ho herinanadron’ny rano. Ary mba mitondra inona ho an’ny firenena moa itony andro iraisampirenena hankalazaina isaky ny mihetsika itony ? Tsy maninona koa anie na atao ho herintaonan’ny rano aza e ! Sady mahafinaritra ilay resaka hifanentanana hoe : « sasao ny tananao ». Marina io, ary zava-dehibe ny fahadiovana sady hiakinan-javatra maro. Inona tokoa moa no lanjan’izany rano izany eo amin’ny fiainan’ny mponina amin’ny andavan’andro ? Tsy haingo io na haitraitra, ary tsy manavaka na iza na iza fa ilain’ny rehetra. Mahavita dia lavitr’ezaka manodidina ny 6 kilaometara ny mpantsaka rano vao mba mahazo rano ho fisotro sy ho fisasanana hanaovana ny kenokeona andavan’ando raha ny tontolo iainan’ny Gasy amin’izao fotoana izao. Tena mandeha lavitra ny tanàna izany ry Ravaomaria e ! Mandany fotoana ela satria io 6 km io dia adiny iray (raha haingana indrindra) no hanaovana azy. Dia inona moa no fahadiovana azo amin’izany ? Aiza no hisy rano hariam-potsiny amin’ ity tanana ho sasana madio ity ?...
Mahantra ny firenena ! Mampalahelo ny manjo ny mponina amin’ny fiainana iainany amin’ny andavan’andro-piainany. Fa inona marina moa no nahatonga azy teo amin’io toerana io ? Sitra-pony no tsy hanana tanana madio, fonenana milamina, fihariana tena ahafahany mamelona ny ankohonany ? Ny rano no aina manetsika ny tontolo rehetra, ary mila politika tena mipaka hatrany anin’ny fotony vao ho hita ny vokatry ny asan’ny rano eo amin’ny mponina amin’ny andavan’andro. Raha fitadiavana rano no mahavery fotoana lavabe ny zaza amam-behivavy eto amintsika dia mbola hanana hery ho enti-miatrika ny tokony hataony ve izy ireo. Hisy fiainam-pianakaviana ho vanona ? Hisy fianarana sy fahalalana ho azon’ny ankizy ? Iza no hino fa ao anatin’ny fisavoritana politika manjo antsika ankehitriny dia hanana tetika maty paika hijerena izany pitsopitsony ho an’ny fiainan’ny mponina izany ny mpitondra ? Tsy karazan’ny « fandrebirebena » fotsiny ny fankalazana (izay inoana fa nandaniam-bola) natao makotrokotroka tetsy sy teroa ? Inona moa no tena fototry ny hazakazaka hataon’ny mpitondra mndritra izao fifandirana eo amin’ny samy mpanao politika izao ? Hamaha ny olana ara-tsosialin’ny mponina ve ? Tsia ! Tsy ho tonga amin’izany zava-bitika izany velively ny fitadiavana vaha-olana imasoan’ny rehetra amin’izao fotoana raha tsy milamina ny sehatra politka eto amintsika. Lany andro amin’ny fivorivorina tsy mitondra vokatra ny mpanao politika. Hatramin’izao dia mbola tsy hifanarahana ihany na iza tokoa no haka kitay ? Iza no hatsaka rano ? Iza no handrasa sy hitetika ny hena ? Iza no hanara-maso ny fianaran’ny ankizy, Iza no hifofotra sy hively vy ? Tsy misy fifanarahana vita ireo rehetra ireo satria nisafidy ny « tokatrano imaso » isika. Sady tsy lasam-bodiondry no tsy nisy tso-dranon-dray aman-dreny, ary indrindra tsy ara-dalàna. Mazava hoa azy fa izany no anton’ny ahiahy tsy ihavanana ka mahatonga antsika hifamorika.
Aza gaga raha milentika sy mijanona ela any am-patsakana any ry Ravaomaria, zara aza anie mba misy hisentoana kely sy hialàna amin’ny rotorotom-piainana eo an-tanàna e ! Dia toy izany koa ny mpanao politka Gasy : Tsy ny rano natsakaina mba hamelombelona ny fianakaviana sy ny ankohonana no mahamaika azy, fa ny hanao fara-hehy amin’ny fahavoazan’ny namany, ny handatsalatsa, ny hifanakiana sy ny hanao vavabe tsy misy farany. Efa im-piry moa izany no nisy fivorivorina teny ampatsakana teny ? Tany Ivato tany, tany Vontovorona, nita ranomasina mihitsy aza matetika fa ehehehee, ny omaly tsy niova ihany no mbola fanao. Rano zara raha misy eran’ny zinga ve no tadiavina etsy sy eroa hisy hisasana tanana akory ? Dia io isika mianakavy miara-masison’ny havoretrana sy fahalainana mihetsika io. Mahantra satria misaringi-boridamba. Mihadonto hatramin’ny saina aman’eritreritra ka miandry fangorahana sisa e ! Tsy homena tsiny ry Ravaomaria raha hifampitadiavana eran’ny moron-drano . Naleony nisintaka mihitsy !
Ony Rambelo