mar.

22

mars

2011

Italia : Tompon-dakan’ny saosisy

I Italia indray izany ankehitriny no voahosotra ho tompon-daka amin’ny fananana saosisy lava indrindra eran-tany, raha Roumanie no nitazona izany toerana izany teo aloha. Mpanamboatra « charcuterie » iray ikoizana ao Penne, tanàna iray afovoan’i Italia, no nanamboatra ity saosisy lava indrindra eran-tany ity, nampian’ny namany sivy mirahalahy. Nahatratra 600 metatra ny halavan’ilay saosisy ary nanamarina izany mihitsy ny « agence Ansa ».

Nangalana vadin-tany mihitsy ihany koa, ankoatra izany, nanamarina io halavana io. Rehefa vita moa ny fandrefesana dia namidy, nozaraina ho 6 000 ilay saosisy 600 metatra. Nanaovana asa soa nanohanana fikambanana iray mpanao asa soa any Italia ihany ny vola azo tamin’io.

Rehefa nanontaniana ny antony nanamboarany izany saosisy lavabe izany i Alberto Della Pelle, ilay “charcutier”, dia nilaza fa te handrombaka ny tompon-daka eran-tany amin’io lafiny io izy. Antony iray izay. Antony manaraka dia ny ahazoana manangona vola ho fanampiana ny olona mahantra karakarain’ity fikambanana mpanao asa soa ity. Hatreto aloha dia tsy mbola nanoratra ny anarany ho ao anatin’ny boky mirakitra ireo zava-bita tsara indrindra ny mpikarakara. Atsy ho atsy angamba.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra