sam.
19
mars
2011
Ny anganon’ny Gasy dia handraisana lesona hatrany ka tsy maintsy hiverimberenana ny fitantarana azy mba tsy ho levon’ny fandrosoana izay miriotra sy tsy hay tohaina : Vary lena loatra ny kary sy ny alika araky ny fitantaran’ny Gasy avy any Vakinakaratra azy, koa indray andro dia nifanaraka izy roalahy ireo fa hisodika rofia, havadika ho harena sy mba hihinanan-kanina. Rehefa tena eo am-perin’asa dia mampiseho fahaizana amin’ny safidy hifanajana hatrany izy ireo noho ny fihavanana tsy tiana ho rava, ka hoy ny kary : « O, rahavako a ! Inoana no hataon’ialahy : hikapa sa hisodika ? ». Dia nisafidy ny hikapa ny alika ary tsy nitandro hasasarana nanao izay hahavitana asa betsaka. Nandrasana kosa ny fihetsiky ny kary ka toa nihamikamina fotsiny fa tsy mbola nisodika akory ireto rofia efa nidaboka. Nolaviny ny fisodihana ka nangataka andro indray izy fa ny mandrary sy ny hanady no tena angadiny fa tsy ho vitany ny hisodika. Tsy nanana ahiahy ny alika ka nanezaka mafy ho amin’ny dingana manaraka ka vitany antsakany sy an-davany indray ny fandrariana, ka rehefa nataony tamin-kitsi-po dia nahavita lamba jabo tsara tarehy izy..............
Tsy nahalala velively ny hevi-petsin’ny kary ny alika ka mbola niala nenina indray ka naniraka azy : « Inty àry, ento ka amidio any an-tsena razandry ». Fa namaly indray ny kary ka nanao angonongonona hoe : « Izaho anie, razoky kely fantatr’olona loatra, ka sao torahany ny vato aho dia ho very any ny lambantsika » sady mody nifararemotra teo izy. Nanomboka ho tezitra anefa ny alika ka voatery nandeha tsy fidiny nankany an-tsena ny kary nitondra ilay lamba jabo. Fa ny nahatongavany tany no ela dia nifandrombonan’ny mpiantsena rehetra nakoraina ny tenany: « Oainy fa kary mitondra lamba jabo, ry lahy a ! », ary nododosin’ireo tato aorinana ilay montana ka vady tady nikaroka lalan-kivoahana handosirana ny tsena. Noho io antony io dia nalahelo mafy ny nanjo azy ny alika ka nanira-tena ho any an-tsena mba hitondra ny lamban’izy ireo sady nilaza fa : « Maty aho, havako ! Saika nidiran-doza tokoa lahy ianao razandry ». Rehefa nodonainan’ny hafanana ela teo an-tsena ny alika dia nisy olona nanakalo ilay lamba jabo ka omby kely roa vao misara-nono, lahy iray sy vavy iray, no takalony. Dia lasa nentiny nanantona ny kary ireo sady hoy izy taminy : « Fidio izay ho anao razandry ». Dia nisafidy ilay lahy ny kary ka notsofin’ny alika rano soa aman-tsara ny safidiny. Rehefa samy lehibe ny ombin’izy mirahalahy ireo dia nitohatra ilay ombivavy ; ary rehefa nadiva ho teraka ny omby dia novonoin’ny kary mangingina ka maty. Sady mody taitra izy no vontom-pahoriana loatra ka nandroso soson-kevitra hoe : « Aoka isika, razoky, hizara : ny iray handrasa ny hena, ary ny iray hanantona azy ery an-tendro-kazo mba ho tsara pirina ». Rehefa voarasa daholo ny hena dia tsy nety nidina tety ambany intsony ny kary fa nahazo ny toerana avo sy niteronterona teny. Nivanàka sy niandry tety ambany no nataon’ny alika ka niloa-bolana : « Mba tsipazo kely aho lehoroa fa tsy tafahanika eny ». Fa avo toerana sy avo fandini-javatra ny kary ka hoy izy : « Ny tai-maso haronina, ny kiho raisina, ny hatoka safoina, ny tany arapaka » sady nanao tarehy ratsy izy no nitsamotsamona hoe : « Ahy ity ! ahy ity ! » . Na dia tezitra mafy aza ny alika dia tsy afa-nanohatra fa niandry teo ambody hazo ihany. Rehefa fotoana maharitra no nifampiandrasana sy nifanaovana ny vavabe dia nahatsapa ho main’ny hetaheta ny kary ka nanambitamby : « Iny ny henan’ialahy fa avelao aho hisotro rano kely ». Angano, angano ! tsy tohizana sy tantaraina ny mbola ho fisehony satria iainantsika hatramin’izao ny tantaran’izy ireo. Politika izany lehiroa a ! Ony RAMBELO