sam.

19

mars

2011

Mpanelanelan’ny SADC Dr Leonardo Simao: Nihinana « voa manadino »

Tsy misy dikany manao ahoana amin’ilay mpanelanelana notendren’ny SADC namita iraka teto amintsika ve ny falazàny ny heviny mialoha indrindra ny fanapahankevitra noraisin’ny « troika » sy ny vondrona SADC ? Sa izany mihitsy ny politikan’ilay fanelanelanana nanomezana fahatokisana azy ? Tafiditra ao anatin’ny diplaomasia sy ny fandaminan-draharaha ve ny fihetsiny? Nanontanian’ny filoha avon’ny tetezamita mahakasika ny fanendreny ny praiminisitra « vaovao » ve ity mpanelanelana ity ? Izy ve ilay voaresaka fa efa nantsoina an-tariby mialoha ny fanampahan- kevitra ? Dia inona no antony mbola nitondrana indray ilay ravi-taratasiny ho eo anatrehan’ireo mpanampan- kevitra sy mpaniraka azy ? Tsotra loatra angamba ny Gasy ka mampifangaro zavatra maro eo amin’ny fiainany sy ny fitantanana ny fireneny. Fa miteny amin’ny alalan’ny SADC ve sa amin’ny anaran’ny tenany manokana ity mpanelanelana ity raha tomorina akaiky ny fihetsiny hatramin’izao?...........

Ivereno ny tantara Mifanaraka tsara amin’izay voasoratra ao anatin’ilay ravintaratasy nifaneken’ny mpanao politika teny Ivato, iny fanendrena ny Praiminisitra « vaovao » Vital Camille iny raha ny fanehoan-kevitra avy amin’i Dokotera Leonardo Simao. Asa mety ho adinony ve sa niniany tsy tsaroana fa nandritra ny fihaonana antampony nataon’ny mpanao politika Gasy tany an-drenivohitra Etiopiana, Addis Abeba, tamin’ny volana Febroary taona 2010 dia tao anatin’ny delegasionn’ny ankolafy Rajoelina (mpitarika mihitsy) ity Praiminisitra vao notendrena ity ? Efa nideradera teo imason’izao tontolo izao izany fa tsy natao ho raharaha taty an-tokatranontsika taty fotsiny. Ary ny faha-19-n’io volana febroary io, rehefa nody teto an-tanindrazana ny « delegasiona Rajoelina » notarihin’ity Praiminisitra « vaovao » ity dia nanao tatitra tamin’ny mpitarika ny fahefana avon’ny tetezamita tamin’izany . Koa tsy fantatr ilay mpanelanelana SADC ve izany ? Sa tsy izany no handikana ilay andininy faha-5 tao amin’ilay taratasy nanaovana rango-pohy izay milaza fa tsy tokony ho olona mitovy na iray fironankevitra amin’ny mpitarika ny tetezamita no hotendrena Praiminisitra? Sa ny praiminisitry ny fahefana avo Vital Camille mihitsy no efa niova (hevitra) ka nilaza fa tsy mitovy fijery na koa tsy miray latabatra (na lalana) intsony amin’ny mpitarika ny tetezamita avo ? Raha iverenna kely mantsy ny antony nametrahany ny fialàny dia nambara ihany koa fa ho fampiharana izay tapaky ny fifanarahana vita rango-pohy. Izany hoe : ity Praiminisitra ity mihitsy no nahatsapa tamin’izany, fa tsy izy no tondroin’io andininy faha-5 io, koa nahoana no ilay dokotera Mozambikana indray no sahy hilaza fa mety tsara sy mifanaraka amin’izay voasoratra ny fanendrena natao ? Tsy mamaha ny olana mihitsy ny fanehoan-kevitry ny mpanelanelana eny antsefatsefaky ny dinika samihafa eny. Moa tsy nahatonga ny resabe teto ny fanehoany hevitra fa te-hiataka amin’ny dinika ny ankolafy toa izao sy izao, ary tsy vonona ny hanohy izany intsony? Inona moa no tena fototry ny famporisihany fa azo hatsangana avy hatrany mialoha ny « tena sonia » ny governemanta iraisana ? Ny tena mahagaga amin’ny tarehin-javatra toy izao mantsy dia tsy naneho hevitra akory ny amin’ny filazana nataon’ilay vaomiera mahaleotena mikarakara ny fiifdianana, na koa ny momba ny fanenjehana ara-pitsarana ny mpitarika politika iray, ity mpanelanelana ity. Efa imbetsaka no namerimberenana fa lasa nivadika ho mpitsara mivantana amin’izay dingana vita sy mbola hatao ny mpanelanelana, kanefa tsy hita intsony hatramin’izao ny fihenjanany amin’ny fibiriokan’ny hafa tsy manaraka akory izay voasoratra. Dia ho hita eo ny mety ho tohin’ity fanehoankevitry ny mpanelanelana ity satria tsapa miandalana ankehitriny fa samy tsy nety naneho hevitra mihitsy ireo masoivoho vahiny izay tratra antso ka nanontaniana ny hevitry ny firenena niaviany avy. Mampalahelo fa miandry hatrany isika fa Gasy e ! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra