sam.

19

mars

2011

Fanafosafoana lehilahy

Ny fomba fanafosafoana vehivavy no natolotra teto tamin’ny gazety nivoaka farany, ny alakamisy lasa teo. Amin’ity anio ity indray dia ny fanafosafoana lehilahy indray no ampahafantarina antsika. Raha hanafosafo ny lohan’ny lehilahy ary dia atao toy ireny hanakorontana ny volony ireny no fomba fanaovana azy. Alefa moramora any anaty volony ny felatanana, toy ny fanafosafoana zazakely. Hidina amin’ny tanany sy ny heliny indray rehefa vita izany. Atehika tsara eo ambony sorony ny tanana roa. Asosa mora midina manaraka ny sandriny roa. Ingaina moramora amin’izay ny tanany, ka horohana ao ambany heliny. Afaka manaikitraikitra kely ihany eny anelanelany eny. Raha hanafosafo ny tratra kosa dia toy izao indray ny fomba. Ny volo no avela hanafosafo ho an’ny vehivavy lava volo. Ny faritra manodidina ny loha-nono kosa no safosafoina amin’ny tanana. Rehefa tsapa ho “excité” tsara izy vao ampiasaina ny lela sy ny tsentsitra isan-karazany..............

Anisan’ny faritra manaitaitra ny lehilahy ihany koa, ankoatra ireo ny ao amin’ny fitombenana. Afaka miasa manafosafo avokoa ny tanana sy ny vava. Toy izany koa ny eo amin’ny faritry ny feny. Ny faritra misy mikentrona rehetra no voalaza ho tena mampiakatra haingana ny “excitation”. Tonga eo amin’ilay faritra tena ankafizan’ny roa tonta amin’izay, dia tsy inona fa eo amin’ny taovam-pananahana. Raisina amin’ny tanana izy io, safosafoina moramora faran’izay malefaka amin’ny maha-faritra tena marefo azy. Arakaraka ny hanaovana azy moramora koa no voalaza ho mampisy ny fahafinaretana.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra