jeu.
17
mars
2011
« Raha vao manao resaka baombina fotsiny amin’ilay filazana fa ho avy i Ramose dia miomàna fa tsy maintsy mihinana satria mpampiely vaovao tsy marina ». Iza moa no tsy nahatsiaro fa iny olona iny no notondroina tamin’izany resaka izany ? Nifandrombonan’ireo rehetra mpikambana tao amin’ilay Governemanta tamin’izany ny fanizingizinana fa tsy ho afa-bela amin’izay fihetsika nataony iny olona iny. Fa tsy tonga tokoa ilay Ramose, saingy nangingina teo ny raharaha satria raha notomorina akaiky dia toa tsy noho ny antony avy amin’iny olona iny no fototra tsy nahatongavany, fa antonantony hafa mihitsy. Efa rava ilay governemanta tamin’izany saingy teo am-pananganana sy am-pikononana ilay iray vaovao hafa dia « nihinana » ara-bakiteny amin’izay iny olona iny. Sady mifofo ny hamono olona no be hevitra amin’ny fampirohorohoana. Tsy politika intsony ny fomba rehetra mibaiko ny teti-dromotra any anatiny any ka nifandrombonan’ilay sampandraharaha miadidy ny filaminan’ny lafin-tany (indray) ny nampipoitra ho hitan’ny mpiray monina sy ny mpiray firenena ny tetika maizina nomanin’iny olona iny...
Volabe sy fitaovana voarindra no novolavolain’iny olona iny tamin’ny alalan’ny fanangonana olona maromaro hanatanteraka ny sain-dratsiny. Nijoro vavolombelona ny roalahy tao anatin’ity ekipa ity fa iny olona iny no notondroin’izy ireo ho ati-doha sy namorona ny hevitra rehetra, satria ilay olona iray erý amin’ny avo erý no sakana tsy hizoran’ny firenena any amin’ny fitoniana. Koa fitoniana iny loatra àry no tadiavin’iny olona iny amin’izany teti-panorona tsy manaja ny ain’ny mpifaninana ara-politika aminy izany ? Dia nivary lavo amin’ny herisetra ve ny mba hevitra faramparany nananan’iny olona iny ? Fiatsaram-belatsihy fotsiny izany ny fihetsiketsehana saika isan’andro vaky lava izao ataon’iny olona iny ? Ary inona izany no dikan’ireny fihetsiny teny amin’ny fanaovana rango-pohy teny amin’ny tranobe fanaovana fivoriana teny Ivato ireny ? Very hasina mihitsy ny fanaovana politika raha hanao toy ny toetran’iny olona iny daholo sanatria ny mpanao politika Gasy rehetra.
Na ho inona na ho inona fahamarinana na koa fahadisoan’ireo rehetra notanisaina rehetra ireo, dia tsy maintsy mitodika any amin’iny olona iny indray ny mety hisian’ny fitoniana marina eto amin’ny firenena. Raha henjika ara-politika (fotsiny) no antony nangejàna iny olona iny sy ireo marobe niharan’izany teo alohany, dia vao mainka manasarotra ny famahana olana ny fitazonana azy. Tsy misy fifandresen-dahatra mazava intsony ny politika Gasy fa mifototra hatrany amin’ny fifamonoana(mivantana) ara-politika fotsiny. Fa inona marina tokoa moa no lanjan’ireny fijoroana vavolombelona manameloka olona iray ireny ? Indraindray mantsy toa voatondro ho olona miverin-tsaina izay manao izany, ary tsy azo ho raisina ho porofo hanenjehana izay voatondro ny zava-boalazany. Amin’ny fotoana hafa kosa indray anefa dia hambara fa « porofo » tsy azo lavina izy ireny. Moa tsy izany no antony lehibe nifotoran’ny fanadihadiana tamin’ilay resaka radio Piraty ? Dia anjaran’iny olona iny indray izao no mifika ny antsoro maina noho ny asan’ireo « vavolombelona » tsy ahafahany miala amin’izay fangejàna azy. Veloma ry fahafahana fa tsy tsy ho mamy lavitry ny FAT indray izany iny olona iny.
Dadan’i Ranto
Za koa eto dia mba nandinika ny voalazan'ilay vavolombelona sandoka iny,satria tsy mitombona ny raha ny voalazany,satria nalaina hono izy nanao essai,de satria maika be ny ilana ny convertisseur izay
namboariny,izany hoe maika koa ny hanapoahana ny baomba,de tsy nisy intsony ny secret fanatanterahana ny mission??????? Izany de ohatran'ny zaza kely mandainga,za ve ohatra no hanomana sy hikotroka
zavatra de hampahalalako izay olona rehetra mpanao convertisseur kely ary,indrindra fa mpitondra no hofofoina???????.
Fehiny: olona voakarama sy nomanina hanosoram-potak'olona iny trangan-javatra iny,sady fihetsik'olona tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny tody,fa ny anio ihany no fantany,ary de tohizo fa
tsara!!!!!!!!!!
ny any angatahako @nareo panao gazety dia mba tsy hisy ny fifandragitana ataonareo @ireo samy panao politika.SATRIA anie tsarovy fany maso ivoha ny vahoaka @NY fahafantarana ny zava misy marina eto @ny firenena dia ianareo e! tolorana vato mafana ny vahoaka na lainga tsara totitra satria ianao dia pihomba ny gouvernementa na tsy piomba aiza dia fahananareo lalitra laotra ny malagasy fa izay tena marina lazaina aiza maika @izay andafosana fotsiny .tsy mikendry gazety manokana aho fa nataoko hoan izay manatsofina
