jeu.

17

mars

2011

Noterena hanondro an-dRAKOTOARIVELO i Tsima?

Tsy nanaiky hijanona fotsiny amin’izao ireo rahalahin’i Tsima, izay voatondro fa teknisiana nokaramain-dRakotoarivelo Mamy, hanamboatra ilay fitaovana hanapoahana ny baomba nifofoana ny ain’ny filohan’ny tetezamita avo terý amin’ny lalan’i Masay. « Notsindronina tamin’ny antsy ny vodin’ny rahalahinay, nodorana tamin’ny herin’aratra izy, ary noterena hanondro an-dRakotoarivelo Mamy ». Izany no teny naverimberin’izy telo mirahalahy rahalahin’i Tsima raha tafaresaka sy nitaraina mahakasika ny tsindry hazo lena nanjo ny havany. Efa ny Zoma i Tsima no notazonina tao Ambohitsorohitra araka ny fanazavan’izy ireo hatrany, rehefa avy nosamborina teny amin’ny trano fonenany teny Manakambahiny...

Rehefa nandeha ny fanadihadiana rehetra dia tsy nisy hirika nihazonana azy velively satria adin’ny mpivady tany an-tokatrano no tena fototry ny nahatonga an’i Tsima ho voatazona tamin’ity raharaha ity. Manambara hatrany moa izy telo mirahalahy ireto fa nahavariana azy ireo ny nahatonga ity rahalahiny ity ho « nibaradaka » tampoka nanomboka ny alatsinainy, izay nitohy tamin’ny  fanambaràna nataony tamin’ny haino aman-jery fa nokaramain-dRakotoarivelo mamy ny tenany, ny talata harivariva teo.

Noantitraterin’i Davida, zokiny mpiray tampo (iray ray, iray reny) amin’i Tsima sy Lahatra, zana-drahalahin’i Tsima ary i Haja, zafin’ny mpirahalahy amin’i Tsima namarana ny resany fa tsy matahotra ary vonona hampiseho amin’nyrehetra ry zareo fa ny marina tsy mba maty. Hanao ahoana ny fiafarany ?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    mino (vendredi, 18 mars 2011 12:48)

    tokony avoaka @télé sy radio ireo voalazan'i ralahan'i Tsima ireo ary amparitaka am gazety hafa mba ho hita zay marina

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra