jeu.
17
mars
2011
Fihetsika manan-danja, tsy azo atao tsinontsinona eo amin’ny fiainam-pitiavana ny safosafo. Ilana fahaizana araka izany ny fanaovana azy fa tsy hoe ataotao fahatany amin’izao. Toy izao ny torolalana momba ireo safosafo atao amin’ny faritry ny vatana, miankina amin’ny toerana misy azy tsirairay.
Raha ny tarehy no safosafoina dia ny ankihiben-tanana sy ny fanondro no ampiasaina. Eo amin’ny takolaka sy ny saoka ary eo amin’ny manodidina ny maso no tena mila safosafo. Raha eo amin’ny molotra indray dia tsy tokony ho maimaika hampiditra ny lela. Tsentsafina moramora ny faritra ambony sy ambany amin’ny molotra, atao mifandimby. Ny manodidina ny molotra aloha no tokony horohana, izay safosafo atao amin’ny vava ihany koa. Izay vao manoroka maharitra.
Faritra anisan’ny manaitaitra ao amin’ny vatan’ny vehivavy koa ny sofina. Bitsibitsika sy oroka no ampifangaroina atao eo am-potony, hampiakarany ny filana. Ny faritra ety ivelany amin’ny sofina no voalaza ho tena manaitaitra noho ny faritra ao anatiny...
Midina ihany isika. Tonga eo amin’ny tenda. Eto indray dia afaka ampiasaina avokoa ny volo, ny lela, ny vava. Misy mihitsy aza vehivavy sasany mangataka ny hokaikerina, saingy tsy azo atao io raha tsy izy no misisika mila azy. Mitohy any an-damosina indray ny safosafo. Tian’ny vehivavy loatra ny safosafoina amin’ny rantsan-tanana, miainga any ambony mankany ambany amin’ny hazon-damosina. Dia somary mankao ambadika kely, eo amin’ny kibo izao. Ny loha no apetraka eo ambony kibo, hanaparitaka ny hafanana ilainy. Safosafoina moramora amin’ny tanana ny manodidina ny foitra sy ny eo amin’ny nono. Azo soloina lela ihany koa ny tanana.
Tonga amin’ny ivon’ny safosafo isika. Tsy aiza io fa eo amin’ny taovam-pananahana. Mankafy safosafo eo amin’io faritra io avokoa ny ankamaroan’ny vehivavy. Saingy tsy atao maimaika. Milamindamina sy moramora ihany. Ny rantsan-tanana no miasa, ka angatahana ilay vehivavy hitari-dalana ho amin’izay fomba mahafinaritra azy. Any amin’ny tongotra no miafara ny dia. Misy ireo milaza fa eo ambanin’ny kitrokely eo no ivon-toeran’ny fanaitairana eo amin’ny vehivavy. Mila manandrana vao afaka mahita azy. Voalaza ho tena manaitra ihany koa ny fitsentsefana ny ankihiben-tongotra.
Somary asiana eau glacée kely araraka ao an-damosina manaraka ny hazon-damosina
