lun.

14

mars

2011

Toy ny salaka

Amboary ny saina fa latsaka anaty lainga marivo tototra ho hehezin’ny akoho tokan’anaka ny firenen’ny Gasy. Tsy rehefa te-hanao politika akory dia hanan-jo handainga sy hanao lainga masina amin’ny valalabemandry. Nametra-pialàna ny Praiminisitry ny fitondrana avo sy ny mpikambana anatin’ny governemantany iray manontolo. Tsy ilay Praiminisitra no nivolana an’izany fa ilay mpanendry azy. Hoy ity Praiminisitra ity taloha kelin’iny rangotra nataon’ny mpanao politikan’ny Gasy iny : « Rehefa hitan’ny mpanendry fa tokony alàna ny tenako dia miala avy hatrany aho, ary aoka ho fantarareo fa efa navoitran’ny fivoriana maromaro fa izy mpanendry no mijanona fa ny tenako no mandeha ». Anjaranao ny mijery mazava an’izany resaka izany. Inona no nahadodona ny mpitarika ny fahefana avon’ny tetezamita hilaza fa nametra-pialàna ny Praiminisitra ? Satria ve ekeny amin’ny fomba matotra ilay « ravi-taratasin’ny SADC » ? Ary nahoana ny Praiminisitry ny fitondrana avo no « nitsoaka an-daharana » mialohan’ny fotoana ? Tapitra ve ny fotoanan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ka tapa-kevitra hiditra amin’ilay « tetezamitan’ny sehatra iraisam-pirenena » ny tenany ? Tsia ! tsia ! tsia !..........

Tsy noho ny sori-dalana sy ny ravin-taratasin’ny SADC no mahatonga ny fanampahan-kevitra. Tsy mandeha araka ny hevitry ny mpanao politika nanao sonia (rango-pohy) teny Ivato akory ny firosoan’ny Filoha Avo. Ny zotra efa nandehanany teo amin’ny fitanatana ny tetezamitany no mamaritra ny fihetsiny. Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hitondra ny Repoblika faha-IV ny filohan’ny tetezamita avo ka nampiasainy daholo ny tetika rehetra ahatongavana amin’izany. Raha ity « ravi-taratasy » sy ny « tetezamitan’ny sehatra iraisam-pirenena » ity dia tsy ahitany irika ny ho amin’ny lalany. Ny taratasy milaza ny fanekeny ny famatreham-pialàn’ny Praminisitrany no manamarina izany (Decret N°133-2011) : Rajoelina Andry dia mbola filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, ary ny lalampanorenan’ny repoblikan’ny fitiavana no ifotoran’ny taratasin’ny fiadidian’ny tetezamita avo. Tsy misy resaka ary tsy voasoratra ao mihitsy ny momba ny sori-dalan’ny SADC (izay tsy manana fototraavy amin’ny lalàna ?). Mbola mitohy hatrany ny fomba teo aloha tamin’ny fananganana ireo andrim-pitondrana roa (CT sy CST) miampy an’ilay vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) ; ireo dia voasoratra mazava tao amin’ilay Dinan’i Maputo. Tsy maintsy nalan’ny mpitondra avo ny Praiminisitra taloha Monja Roindefo, talohan’io tetika politika io, satria nihevitra ny hampihatra io Dinan’i Maputo io izy ka nanendry ny Praiminisitra Mangalaza Eugene, kanefa niarahana mahalala fa tsy naharitra fotoana firy dia notsipahiny avy hatrany ny fanantatrerahana ny dinan’i Maputo, ka nijanona ho filohan’ny tetezamita avo hatrany izy teo am-panendrena indray ny Praiminisiny Vital Camille. Ambonin’ireo rehetra ireo : Tamin’ny 12 Mey 2010 dia nanambara ampahibemaso ny Filoha avo fa tsy hirotsaka ho fidiana ho filohan’ny repoblika vaovao satria izay no takalon’ny fankatoavana iraisam-pirenena, dia nataony tsy fidiny izany. Ary ankehitriny dia voaporofo fa tsy maintsy hirotsaka hofidina ny tenany, ary amin’ny alalan’ny lalampanorenan’ny 17 novambra 2010, izay tsy manery azy hametra-pialana mialoha ny andrompididianana. Tsy mivonona ny hanantanteraka ny « sori-dalana » mihitsy ny mpitarika ny fahefana avo eto amintsika. Ny hitondra ny tetezamita avo ao anatin’ny Repoblikan’ny fitiavana no tena lalan-kizorany. Ny sori-dalana natao sonia dia nataony hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena fotsiny ihany (raha hisy), toy ny mody nanekeny ny dinan’i Maputo, sy ny fanambarana nataony ny 12 mey 1010. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra