lun.
14
mars
2011
Ela ny ela ny ela ka resaka fihaviana sy toetra mahaakaiky na tsia ny olona iray, no anisan’ny singa sy fototra hanendrena olom-pitondrana ambony eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy ny hoe : mety sa tsy mety ny fomba toy izany no olan’ny fanendrena « maimaika » tsy maintsy hatao, fa saingy inona moa no antony nahatonga an’izany ho tafiditra amin’ny resaka politika eto amintsika ? Satria efa niainantsika hatrizay izany teo amin’ny sehatra maro samy hafa, ary natao ho fomba teto ilay tarazo navelan’ny mpanajanaka antsika. Dia mety ho azo an-tsaina avy hatrany ve hoe : Avy aiza no nipoiran’ny « taratasy » tsy maintsy heken’ny mpanao poitika Gasy ankehitriny ? Tao anatin’ny fotoana mahadodona azy dia nandrava tena na noravàna ny governemanta am-perin’asa. Fa efa vonona amin’izay tokoa ny mpanao politika ? Sa efa misy olona vonona ve any ambadimbadika any ka zary ho fombafomba fotsiny ilay ho fanendrena amin’ny herinandro ?.............
Manjavozavo tanteraka Tsy ny Malagasy tsy akory no lany olomanga tokony hitantana ny fireneny, saingy manjavozavo loatra ny lanjan’ny fahefana eo ampelatanan’ny filohan’ny tetezamita avo ankehitriny, izay hanendry olona fantany fa mendrika sy hitondra ny firenena hivoaka ny olana manjo azy. Sady tsy olona akaiky sy mpanaohana azy, no tsy ho iray fihaviana aminy. Tsy mifanohitra ve izany? Ny olona mpanohana sy akaiky ny Filoha Avo dia ireo efa nanodidina azy nanomboka teny an-kianja ka hatrany any lapa noho ny fifandraisany(?). Noho izany dia tsy ho afaka mihitsy izy hanendry olona avy amin’ireo mpanohana azy hatrizay sy efa notendreny tamin’ny toerana niandraiketany. Ny Praiminisitra sy ny mambra ny governemanta tao anatin’izay roa taona izay dia anisan’ireo tsy tokony hotendreny intsony no Praiminisitra satria mpanohana sy akaiky azy ireny matoa nanaiky azy hatramin’izay. Ny mahagaga mantsy ankehitriny dia misy mpanao politika efa teo amin’ny fitondrana ary dia nanao ny « hosana hosana » hatrizay kanefa dia mitetika ny hitoetra sy hiverina eo hatrany. Raha izay no hataon’ny mpitondra dia azo antoka fa tsy hisy mihitsy ny fitoniana arapolitika eto amintsika. Aiza moa no antoky ny mangarahara amin’ity fanendrena ity, satria dia mihoatra ny 400 ireo antoko politika nanao ny rango-pohy, ary miisa valo ireo vondromborona mety hanolotra olona ao anatin’ny fotoana fohy notakian’ny mpanendry?
Tsy hanendry izay « manohitra » azy Ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita dia mifikitra tanteraka amin’ny lalapanorenana efa nolaniana tamin’ny taon-dasa, ary azo antoka fa tsy hanendry olona nanohitra an’iny lalampanorenana iny velively ny tenany. Ny hany ho azo antoka dia tsy ho hita tabilao ireo nanao ny « tsia » tamin’ny lalampanorenana sy ireo nanentana ny vahoaka tsy hifidy. Manaraka izany dia tsy hasiany lanjany firy koa ilay sori-dalan’ny mpanao politika vao nosoniavina farany teo fa ataony ho anisan’ny fombafomba tsy maintsy harahina fotsiny ety ivelany. Ireo rehetra ireo no hatambatra dia ahafahana manombanana fa efa manana ny olona novolavolainy (na natolotra azy) hatao ho Praiminisitra ny Filoha avon’ny tetezamita. Raha izany tokoa no zava-misy dia tsy noho ny sori-dalana velively no antony hanendrena Praiminisitra ato ho ato, fa ilay ho Praiminisitra mihitsy no antony nandrafetana ny ilay sori-dalana. Ny ho avy sy ny politikan’ny mpanendry ny olona ho mpitondra eto amintsika no hanamarina na handiso ny vinavina rehetra. Tsy ho afaka eo ambany vahohon’ny tantarany ny mpanao politika Gasy sady tsy maintsy mankatoa ny mpampisehatra azy. Tsy tongatonga ho azy mihitsy ilay fanavahana araka ny fihaviana fa misy antony goavana ao. Ho very indray ny fanorenana vaovao (refondation) takian’ny vanim-potoana sy ireo tena olompirenena tsy te hiverimberenan’ny sahotaka poitika. Miverimberina lava ny tantarantsika satria tsy sahy maka fanampahan-kevitra tena mifototra amin’izay tian’ny olompirenena ny mpanao politika Gasy. Ony RAMBELO