lun.
14
mars
2011
Samy manana ny fombany ny olombelona tsirairay rehefa any am-pandriana. Ao ireo mikiakiaka. Ao ny tsy andrenesam-peo. Misy ihany koa ireo tena diso mitabataba loatra, ren’ny manodidina. Ity farany ity no tena ilam-bahaolana. Tsy dia hoe izay tianao atao irery koa no tsy maintsy tanterahana, fa eo dia eo indrindra ihany koa ny tian’ny vadinao. Inona no mahafinaritra azy ? Tsara ny mamantatra an’izany. Raha ny filazan’ny mpikaroka mantsy dia samy ratsy na ny mihiakiaka mafy be loatra, na ny mijanona fotsiny amin’izao tsy mahaloa-peo. Ny fahaizana mandanjalanja an’izay no tena filamatra. Misy koa ireo olona sasany, na lehilahy io, na vehivavy, ny manao sinema ka mody mamoaka feo nefa tsy mahatsapa na inona na inona akory ny vatany ary izay ilay mamitaka. Tokony ho ny baiko ampitain’ny vatana ho any amin’ny saina mahakasika ny fahazoana fahafinaretana no iainana fa tsy hamoromporona fiarahana hafa eo fotsiny. Rehefa tena tonga amin’ny fahafinaretana ny vatana dia amin’iny no ivoahan’ilay hiaka, izay tokony ho anao irery, tsy itovizanao amin’ny hafa. Iny ihany koa no voalaza ho anisan’ny tsy ahafoizan’ny vadinao anao. Misy kosa anefa ireo sentosento kely eny anelanelany eny. Famporisihana indray iny, hifanoroana ny amin’ny fomba tiana sy tsy ankasitrahana. Fiainana manokan’ny mpivady ny fiarahana any am-pandriana. Tsy tokony hamitapitahana na hilalaovana sarimihetsika. Ny fitiavana sy ny filana no tokony hibaiko dia mizotra ho azy ny zavatra rehetra. Monica