lun.

14

mars

2011

Hiova ny governemanta: Mikoropadropaka ny Fo…

Tafita ny tolona ! Ho azo ny valin-kasasaran’ny mpanao politika, satria ora sisa isaina, dia ho tafapetraka amin’ny seza fiandrianany ireo nitomany seza hatramin’izay. Hiova ny governemanta satria efa nametra-pialàna ny Praiminisitry ny FAT Camille Vital. Praiministra isan’ny ela indrindra nandritra ny tetezamita, ary Governemanta nahitana fiovana matetika mbola tao anatin’ny roa taona ity misy ankehitriny ity. Zarazarao hanjakana hoy ny fomba fiteny, saingy ilay tolodalana nataon’ingahy Simao nosoniavin’ny mpanao politika samihafa teny Ivato ny alarobia teo no antony hiovan’ny Governemanta izao. Mikoropadropaka ny Fo… hoy ny maro, satria hilaharana ny manatitra CV eny Ambohitsorohitra sao mba isan’ireo lasa minisitra tampoka teo..........

Karazan’olona re izao, ary hifampideràna mihitsy ny diplaoma satria izay no hany azo antoka fa haharesy lahatra ny filoha hanendry izay ho PM sy ministra eo. Ity sisa hany fara-fanantenana ahafahana mahazo seza sy voninahitra, koa tsy mahagaga, raha vahoaka maro be no mba te-ho tafiditra ao amin’io Governemanta hijoro tsy ho ela io. Maika ny fijoroany, satria entina hilazana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena, fa nanaraka ilay tondrozotra napetraky ny SADC ny mpitondra tetezamita ankehitriny. Tsy mbola voafaritra kosa hatreto ny isan’ny minisitera, satria tsy maintsy omena sehatra ao avokoa ny hery samihafa. Izay tsy tafiditra ao, dia any amin’ny CT sy ny CST manarina. Mba ahoana kosa ireo vahoaka natao tohatra fiakarana izay efa lanaky ny fahantrana? mba hisy solontenan’izy ireo ve ao, sa mijanona ho tohatra hatrany ? Sa ireny asaina mikoropadropaka toy ny foza orana eny ireny ihany ? Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra