ven.

11

mars

2011

Taratasim-baha-olan’ny SADC: Mirodana ho azy ny HCC

Vita hatreo ve izany ny nilàna sy ny asan-dry zareo eny Ambohidahy? Tsy misy mantsy na andininy iray aza voasoratra ao anaty lalàmpanorenana, izay nolazainy fa manankery hatramin’ny taona lasa, mbola arovany. Tsy hamoak a ny vokatry ny fifidianana izay hatao ihany koa ny mpikambana ao amin’ity fitsarana avo momba ny lalampanorenana ity. Hijoro sy hajoro ny CES (cour électorale spéciale), araka ny zotran-dalana natao rango-pohy ka io indray no hitsara sy hamoaka ny vokatry ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny ho solombavam-bahoaka. Moa mety mbola misy ilàna ny lalàmpanorenana sy ireto olon’ny lalàna eny Ambohidahy ireto ?..........

Miroso any amin’ny fanatanterahana ny voalazan’ilay sori-dalana voahitsy tokoa ve ny vaha-olana ho an’ny olana politika nanjo ny firenena Gasy ? Andri-pitondrana miisa 6 no hitondra ny tetezamita eto Madagasikara ka hanala tanteraka ny olana (?) : Ny filoham- panjakana no ho filohan’ny tetezamita, otronin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta izay hapoitra avy any ivelan’ny mpanohana ny filoha ary tsy avy eto amin’ny faritra niaviany. Eo koa ny CES izay hanao ny asan’ny HCC (?), ary ny andry roa fanampin’ireo dia ny CT sy ny CST izay hitarina sy hanome vahana ny mpanao politika, mba hanao ny asan’ny mpanao lalàna, ary farany kanefa hanan-danja tena lehibe dia ny filankevitra momba ny fampihavanana Malagasy.

Inona no andraikitry ny miaramila ? Ankoatra ny resaka lalàmpanorenana sy ny HCC, dia tsy misy resaka ao anatin’ity sori-dalana vaovao voahitsy ity ny mikasika ny miaramila sy ny andraikiny. Raha misy ny tsy fanarahana izay voasoritry ny sori-dalana dia ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy amin’ny alalan’ny solontenany, izay hanorim-ponenana eto, no hirotsaka an-tsehatra amin’ny fandaminana na koa famaizana. Izany dia arak’izay voasoratra ao amin’ny andininy faha-39 sy faha-40. Ka moa mitarika ny firenena hiverina any amin’ny ara-dalàna izay nodradradradraina hatrizay ve ity sori-dalana ity sa hitondra azy any ivelan’ny sehatry ny lalàmpanorenana tanteraka ? Nahoana no tsy ahitan-teny mihitsy mba tsy hilazana fa moana tanteraka ny tafika malagasy sy ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eo anatrehan’ny tarehin-javatra toy izao ? Hain’ny manan-kery sy ny mpampihatra ny lalàna tokoa ny mandrangaranga ny fahefana sy ny lalàna rehefa misy tiany ho faizina. Koa tsy manafika sy mitady handrava ny maha-gasy ny Gasy ve ny fitsabahan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny raharahan’ny Gasy samy Gasy ? Inona no andraikitry ny mpiaro ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ? Iza marina moa no nahatonga ny firenentsika ho tafalatsaka lalina anaty saritaka politika toy izao ? Moa tsy nanana anjara tamin’izany ny miaramila, na koa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ? Sa dia hifanilahana indray fa sitrapon’ny olom-pirenena sy ny vahoaka no nitaky ny fanovàna…

Sahia manao dingana lehibe Variana nanenjika olona iray ny mpanao politika nomban’ny fahefana ara-miaramila sy ny mpiaro ny lalàmpanorenana teto amintsika, ka adinony tanteraka ny fiarovana ny maha-fanjakana tompo-marika ho amin’ny fiarovana ny olom-pirenena tsirairay. Tsy aroriaka farany ho an’ny fampijoroana ny fanjakana ve ny Miaramila ? Ary nahoana moa ireo voatendry ho tompo-marika amin’ny fiarovana ny lalàna sy ny sata Repoblikana no minia mangina eo anatrehan’ny fandrodanana azy amin’ity « taratasy » voasonia ity ? Tsy fanonganana ny andri-panjakana mijoro ve ny fiezahana hampanan-kery ny sata vaovaon’ny tetezamita ? Nahoana moa ny miaramila sy ny HCC no tsy sahy hanao dingana lehibe ka hiaro ny fanjakana malagasy (fa tsy ny mpitondra) tsy ho viraviraina sy lalaovin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahoana no tsy ho vitany ny hanery ny mpanao politika hifandamina sy hiaro ny « fanjakana malagasy » ? Ony Rambelo

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    zaho (samedi, 12 mars 2011 09:49)

    mampalahelo satria samy te ho eo daholo tsimisy raha afa ato ve reo olona mifanejika reo sa rà mangidy te hifamono , de haona re raha ny orohoro tany jampo gne tonga dago e ? de i Andrirajoelina fona gne miantoka , de mialagalana ireo rehetre ireo , mb mifakatiava ry gasy fa mbola tian Andriamanitra intsika mifanaraha re fa malahelo ny tompo mijery anareo miady toerana

  • #2

    ambalatany (samedi, 12 mars 2011 10:51)

    o ry dada atidohanao miketrika fona gne mampijaly gne gasy ato , fa enao zany mbola te filoha koa nefa teo didijadona be , mafy an ireny ry zafy inokoa gnanao , mampalahelo i FILOHA ANDRY ampiasainareo gne maha galifatsy anareo da lasa izy gne manantsiny tsifidiny adiradiranareo galifatsy reo fitondrany , elao Andry avia aty frantsa sisy probleme anao elao tao amijay hinanadreo tadikiraro ao

  • #3

    sosy (mercredi, 16 mars 2011 08:54)

    rangopohy sa rangopoza

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra